Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena miisa roa ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hotanterahina eny amin’ny kianja Club Olympique de Tananarive (COT) Ilafy, ny “ITF World Tour Juniors”. Fihaonana natokana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Manana ny lanjany lehibe izy ity satria hahazoana isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena. […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Karate. Lany hitantana ny seksiona Karate-do Ambatondrazaka, Randriamahanoro Nirina Willy. Fifidianana notontosaina, omaly, tao amin’ny DRJS Ambatondrazaka, ka klioba 5 no tonga nandatsa-bato. Ny 6 oktobra izao no hanaovana ny fifidianana eo anivon’ny ligin’Alaotra Mangoro. Basikety “Road to BAL”. Tsy ho avy eto Madagasikara hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny […]
Basikety 3×3-“World Tour”: hisolontena ny Malagasy ireo nanao JIOI
Hatao any Shanghai, ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao, ny “World Tour”, taranja basikety lalaovin’olona 3. Handray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny ekipa “Antananarivo”. Tohin’ny fifaninanana natao tany Wuxi, tamin’ny tapak’ity taona 2023 ity moa izao lalao “World Tour” izao ary noho ny vokatra azon’ny ekipa malagasy […]
Fifidianana filohan’ny FMF: fantatra avokoa ny laharan’ireo kandidà
Afaka fotoana vitsy, hanana mpitantana vaovao indray ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hitondra ny FMF ny iray amin’ireo kandidà dimy nirotsa-kofidina. Tontosa omaly, teny Isoraka ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ireo kandidà dimy nirotsaka hofidina amin’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka izany, mitondra ny laharana voalohany ao […]
Tetikasa Picas1 : fampandrosoana ny fambolena any Androy sy Anosy
Miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa “Picas”*, andiany voalohany. Famatsiam-bola avy amin’ ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), mitentina 14,7 tapitrisa U.C**. Nanomboka tamin’ny jona 2023 ny fanatanterahana azy, ka anisan’izany ny fanajariana ny lemaka miisa enina, […]




