Auteur/autrice : Adnews

Fifidianana ihany !

  Nahoraka tato anatin’ny andro vitsy ny fangatahana fanemorana fifidianana, rehefa tsy nahomby ny fivoizana ilay resaka korontana. Mbola misy vondron’olona tsy fanta-piaviana izany mivoy rahateo ny fidinana an-dalambe. Samy mampiaka-peo eny amin’ny tambajotram-pifandraisana. Sanatrian-dresaka ny manome tsiny, fa ireo mivoy ho mpisoroka ny korontana no mamboly koron­tana. Mibaribary ny […]

Filohan’ny OJM : “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety”

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpanao gazety. Mampahatsiahy amin’ny famelana malalaka azy ireo hanao ny asany ny filohan’ny Holafitra (OJM) manoloana izany. Nitondra fanazavana ny andraikitry ny mpanao gazety amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison. Nambarany fa […]

Ihosy: dahalo fito lavon’ny bala, tompon’omby iray maty

Namoy ny ainy matin’ny dahalo ny tompon’omby iray nanara-dia dahalo tao Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo fito voatifitra ary am-polony naratra. Dahalo fito maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary tao amin’ny fokontany Tanandava Malio, distrikan’ Ihosy, ny sabotsy hifoha ny alahady 24 septambra teo. Nangalatra omby 73 tao amin’io […]

TSELATRA

Mpangarom-paosy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe, omaly. Mpandalo teny an-toerana no lasibatra. Nikasa hitsoaka io olon-dratsy io kinanjo nosamborin’ny fokonolona. Raikitra ny daroka. Niditra an-tsehatra nandamina ny nanatri-maso sasany ka nentina nihazo ny mpitandro filaminana io mpangarom-paosy tratra io. Taolan-dava 12 lasan’ny mpangalatra tao amin’ny fasana iray anatin’ny fokontany […]

Dadabe 60 taona voasambotra : mpamaky trano gagilahy!

Tsy mifidy taona ny fanaovan-dratsy. Lehilahy lehibe, efa 60 taona no voasambotry ny polisy teo ampihaniahana tamboho. Ikoizana amin’ny famakiana trano izy. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo Am­bony teny Saropody, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ny jiolahy raindahiny. Nikasa hamaky tranon’olona sy hangalatra izy no tra-tehaka […]