Fanatajahantena

Fanomanan-tena amin’ny Chan : hidona amin’i Congo Brazza sy i Niger ny Barea

Ambony ny moralin’ny mpilalaon’ny Barea de Madagascar na nisy fisavoritahana kely aza. Vonona ny ekipa. Hiatrika lalao tsapa atsy Tonizia mialoha ny Chan 2023 ry zalahy . Ho fiatrehana ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Alzeria, ny 13 janoary ka hatramin’ny […]

Kenpo/MMA : nahafa-po ny taom-pikatrohana 2022

Fahombiazana tanteraka no azon’ny federasiona ma­lagasy ny Kenpo/MMA, nandritra ny taom-pikatrohana 2022. «Saika vita avokoa ireo fampiofanana, ary vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny fifaninanam-pirenena, izay nahitana fiakarana lentan’ny teknika», hoy Rakotonindriana Parfait, filohan’ity federasiona ity, izay nanamafy fa isan’ny tena nahitana fivoarana be ny avy any amin’ireo […]

Efitranon’i Messi : nataon’i Qatar tranombakoka

Mbola manakoako any Qatar, hatramin’izao ny akon’ ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja baolina kitra «Mondial 2022”, in­drindra fa ny nahazoan’i Arzantina, ny amboara fa­nin­telony. Anisan’ny mahasarika ireo mpizahatany ton­ga any an-toerana, amin’izao fotoana izao, ny mitsidika ny efitrano nipetrahan’i Lionel Messi. Raha tsiahivina, nito­e­tra tao amin’ny Oniver­si­ten’i Doha […]

Basikety Analamanga : nilalao tany Antsirabe

Ho fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-mia­san’ny ligin’Analamanga basikety, amin’ny ligim-paritra hafa, nanafika tany Antsirabe ny ekipan’Ana­la­manga voafantina, niatrika lalao ara-pirahalahiana. Na­m­baran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Andria­tsima Hery fa natao izao fifanakalozana izao hampitomboana ny lentan’ny mpilalao, na ny mpilalaon’i Vakinankaratra izany, fa indrindra ny mpilalao avy eto Analamanga. Eo ihany koa […]