Fanatajahantena

Basikety-Analamanga : hohamafisina ny fanajana ny fitsipika

Nanokatra ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, teny Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Nisy ny filatroana nataon’ny klioba rehetra mandrafitra ny ligy nanombohana izany ary nitohy tamin’ny lalao. Hanome ny tsara kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny ligin’Analamanga amin’ity taona 2023 ity, izay nanambara fa hohamafisina ny fanajana […]

FederasiOn’ny baolina kitra : sahirana mitady mpanazatra ho an’ny Barea “A”

Raha tsy misy ny fiovana, ho fantatra amin’ity herinandro ity ny anaran’izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar “A”. Efa manao fakan-kevitra etsy sy eroa ny ao amin’ny Federasiona malagasy (FMF), ny amin’izay handimby an’i Nicolas Dupuis, nametra-pialana noho ny tsy fahombiazana. Sahiran-tsaina ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina […]

«Journée mondiale du Sport»: niavaka ny fankalazana tetsy Analakely

Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity ary maro ny liana tamin’izany. Mano­didina ny 3000 mahery ny tonga nanotrona, misy avy amin’ny fikambanana samihafa, ASIEF, MJS, federasiona ary ireo olon-tsotra. Na­natanteraka hazakazaka nanodina ny Lapan’ny Ta­nàna ireo mpandray anjara, avy eo niaraka nandihy sy nampihetsi-batana. Kara­za­na dihy maro no nifanesy toy […]

Bodybuilding: nodimandry i Bigman

Misaona tanteraka ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja Bodybuilding. Nodimandry, teo amin’ny faha-43 taonany, ny sabotsy 22 avrily lasa teo, Ran­drianarimanana John Mario, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Bigman. Miangaly ny taranja bodybuilding izy ary tsisy tsy nahalala azy teo amin’ity taranja ity. Bokona hozatra nanana ny lazany […]

Rugby – « XXL Top 20 » : lavon’ny FTM ny Uscar

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Ma­kis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Lavon’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 40 no ho 24, ny Uscar. Raha hiverenana ny lalao, hita nifandanja tsara ny fifanandrinan’ny roa tonta. Porofon’izany, tsy nahitana “essaie” nandritra ny 26 minitra nilalaovana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy […]