Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana tanterahan’ny Ankoay U19, any Elan Chalon Frantsa, nanomboka ny 10 avrily lasa teo. Fanomanan-tena tapany faharoa hanomanana ny « World Cup U19 », hatao any Hongrie. Naneho ny heviny momba ny fanomanan-tenan’ ny Ankoay U19 hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany ny mpanazatran’izy ireo, […]
Fanatajahantena
Basikety – « Mibala Tournament » : nisongadina ny fandresen’ny DEGS Ankatso
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Palais de Sport sy ny Gymnase couvert Mahamasina ny andro fahatelo, fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, ho an’ ny mpianatry ny Oniversite eto amintsika. Naneho ny mahasangany azy ny DEGS Ankatso. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 96 no ho 34, ny Iscam. Fifanandrinana natao tao amin’ny […]
JIOI 2023 : fantatra ny mpanazatra hitondra ny Barea
Rakotondrabe Romuald Felix, voafidy hitondra indray ny Barea mandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teny Isoraka, omaly, i Theodore Béatrice no hanazatra ny ekipam-pirenena vehivavy amin’io JIOI 2023 […]
Rugby vehivavy – «Sevens Challenger Series»: hidona voalohany amin’ny Makis i Mexique
Hitodika atsy Afrika Atsimo avokoa ny mason’ny rehetra, rahampitso alakamisy, hiatrika ny fiadiana ny “sevens challenger series”, taranja rugby ho an’ny sokajy vehivavy. Anisan’ireo ekipa hiady izany amboara izany, ny Makis Ladies de Madagascar. Hanomboka rahampitso alakamisy 20 ka hatramin’ny sabotsy 22 avrily, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Sevens […]
Barea U20 : andrasana ny anaran’ireo mpilalao voafantina
Nifarana ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ny ivontoeram-piofanana eny Carion Manjakandriana, ny fifantenana voalohany ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar, sokajy U20. Andrasana, araka izany, ny anaran’ireo mpilalao mendrika ho voatazona. Hangotraka ny ady toerana eo amin’ ireo mpilalao satria samy sangany avokoa ireo niatrika izany. Raha […]