Hotanterahina anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay ny Bayern, klioba Alemà. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Allianz Arena. Hanala vela amin’ny Bayern ny PSG. Tsiahivina fa lavon’ny Bayern tamin’ny isa 1 […]
Fanatajahantena
Kitra – Fifanintsanana «Can 2023»: Nesorin’i Dupuis i Arnaud sy i Ramalingom ary i Fontaine
Fantatra omaly ny lisitra mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso amin’i Centrafrique, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2023”. Mbola voatazona i Jeremy Morel raha nesorina kosa i Ramalingom sy i Fontaine. Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly talata, ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra […]
Can 2024 : ” Omeo sehatra ny zandry kely” hoy i Anicet
Niteraka resabe ny fanapahan-kevitra noraisin’i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea fahiny. “Efa manakaiky ny fisotroan-drononoko aho ka aleo soloin’ireo zandrikely ny toerako”, hoy izy, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Nohamafisin’i Anicet fa tsy mitovy intsony ny herijika entiny tamin’ny Can 2019 sy Can 2024, ka nanapa-kevitra ny tsy hamonjy ny fampivondronana intsony […]
Tanora niharan-doza : niray fo sy nankahery azy ireo ny MJS
Nidina avy hatrany tany Fianarantsoa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andre Haja Resampa, vantany vao naheno ny lozam-pifamoivoizana nahazo ireo tanora avy amin’ny fitaleavam-paritra Matsiatra Ambony. Niray fo tamin’ny fianakavian’ny namoy ny ainy izy ary nankahery ireo naratra miisa 19 mianadahy, teny amin’ny hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa. Tamin’ […]
« Ligue des Champions » : hanala vela amin’ny Dortmund ny Chelsea
Hotanterahina anio ny fihaonana eo amin’ny Chelsea, klioba anglisy sy ny Dortmund BVB, klioba alemà. Lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na “Ligue des Champions” (LDC). Fihaonana atao ao amin’ny kianjan’ ny Stamford Bridge. Heverina ho toy ny lalao famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta. Hanala vela […]