Fanatajahantena

Kitra – «Orange Pro League»: ny Fosa Jr ihany no nandresy ho an’ny kaonferansy avaratra

Nanamarika ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Orange Pro League (OPL 2022) ny fahavitsian’ny ekipa mpandresy ho an’ny kaonferansy avaratra. Tsy nisy afa-tsy ny Fosa Jr Boeny ihany mantsy ny hany nahazo fandresena tamin’izany. Araka izany, ity ekipan’i Boeny ity ihany izany ny nahazo […]

Tenisy – Filaharan’ny ATP: mitarika i Alcaraz sy i Nadal

Sambany teo amin’ny tantaran’ny tenisy espaniola, nahitana mpilalao miarahalahy avy aminy, mitarika eo amin’ny filaharana ATP.  Vaovao hita tao amin’ny fandaharana l’équipe, omaly. Ny mpilalao rehetra dia sokajiana taorian’ireo lalao 52 rehetra vitany. Araka izany, mitarika eo amin’ny laharana voalohany i Carlos Alcaraz, manana isa 6 820 arahin’i Rafael Nadal manana […]

Tournoi Mpikitra Sab-Nam: hiady ny famaranana ny FSN sy ny Manjakalalao

Hifarana ny alahady 27 novambra ho avy izao, eny amin’ny kianja Herisetra Sabotsy Namehana, ny «Tournoi», karakarain’ny fikambanana Mpikitra sy ny kaominina Sabotsy Namehana, ho an’ny sokajy zokiny, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny FSN (Firaisan’ny Sabotsy Namehana) sy ny Manjakalalao. Homena lelavola 1 tapitrisa Ar sy medaly volamena ary […]