Herinandro farany amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny taranja baolina kitra isika. Betsaka ny voka-dalao tsy nampoizina hatrany am-boalohany, indrindra ho an’ny ekipa tsy nampidirina tany anaty lisitr’ireo sangany sy noheverina ho loha-laharana. Azo lazaina fa tomombana ny fanomanana tao Qatar, na betsaka azy ny kiana sy ny fanenjehana […]
Indraimbava
Miandry voan-dalana !
Anisan’ny firenena iray voaasa hanatrika ny fihaonambe an-tampony “Etazonia-Afrika” i Madagasikara. Midika izany fa manan-kasina imason’ny firenen-dehibe, anisan’ny sangany maneran-tany isika. Miampy izay, maro ny teratany malagasy mahazo mari-pankasitrahana manokana noho ny “fahaiza-manaony” sy ny “traikefa” ananany amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fisintonana lakolosy, na […]
Famerenana na fanarenana ifotony
Tsy milamina be ihany ny tontolo politika amin’izao: tsy hita be ihany, saro-binanina sy tsy ampoizina izay mbola mety hitranga… Hanao ahoana? Tsy inona fa ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka saika nataon’ny Antanimierampirenena tamin’ny governemanta. Mbola mampanontany tena ny sasany ao anatiny na mpitazana ety ivelany izay antony fototra nampiatoana na […]
Politika zary fanakorontanana sy fandravana
Kisendrasendra na tongatonga ho azy tamin’izao ve ny trangan-javatra nampisavorovoro teny amin’ny Antenimierampirenena? Nanomboka tamin’ny fampiantsoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandalo tamin’ny fifanazavana nikato-trano, niafara tamin’ny firehidrehitry ny solombavambahoaka sasany hiroso tamin’ny fanangonan-tsonia hahazoana manao fitsipaham-pitokisana… Iza no nanao inona tamin’izany? Na […]
Ahina hiverina ny tantara
Mihozongozona ny fahefam-panjakana, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry. Nandamoaka ny fitsipaham-pitokisana, nikasana handravana ny governemanta. Mivadika anefa ny rasa, ny toerana misy ny tompon-trano ao Iavoloha mihitsy izao no tandindonin-doza. Mamay ny toe-draharaha politika. Ho kila forehitra eo izay tsy mahay milalao afo. Mahoraka hatramin’ny fotoana nanoratana ny filazana fa mikiry […]





