17 oktobra 2025-17 oktobra 2026, feno herintaona tamin’ny afakomaly ny fotoam-pianianan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël. Tsy nisy fankalazana ofisialy, tsy nisy fampahatsiahivana tamin’ny fitaovan-tserasera. Nangingina ny tanàna, tamin’ny ankapobeny. Raha ny fanadihadiana tsotsotra natao teny rehetra teny, tsy misy mahatadidy ilay daty. Tsy tsaroan’ny […]
Indraimbava
Fiovana… tsy baranahiny
Mahavariana rey olona ny fiainan’ny Malagasy sasany, indrindra ilay eto an-dRenivohitra. Vao misy fanatsarana kinasa, fanadiovana hatao dia andao hitokona sy handorondoro. Manao izay hihantsiana ny fahefam-panjakana tanteraka. Tsy te hivoatra sy tsy te hilamina ilay olom-pirenena. Aleony mihaingo ambony tsikoko, miaina ambony zaoridira. Mandry ambony savorovoro sy korontana. […]
Mifamingana tsimoramora
Vita izay ny fety tany an-drenivohitr’i Sofia. Hanamarika ny andron’ny 17 oktobra nanaovana fianianana kosa rahampitso. Samy somebiseby ny olona akaiky ny mpitondra sy ny mpitolona. Iza tokoa no tsy hifaly, hanamarika tsingerin-taona nahazoana fahefana. Tena misongadina sy maro ny fiovana, indrindra ho an’ny sasantsasany. Na ireo tanora Gen Z […]
Aza mamahan-dalitra sahady
Miditra amin’ny vanim-potoana fanaovana tohatra fiakarana indray aloha izao Ramalagasy. Indrindra amin’ity resaka antoko, fikambanana, vovonana miseho lany etsy sy eroa ity. Mihazakazaka ny fiarahana etsy sy eroa. Mahavita fanamiana manokana amin’ny endriny samihafa anaty fotoana fohy. Mirentirenty ery ny sorabe marevaka, hisintomana ny mason’ny Filohan’ny fanavaozana mivady sy […]
Fotoanan’ny fifohazana
Mandeha indray ny fety aman-danonana, ho fankalazana ny fetin’ny Repoblika. Manan-tantara misimisy koa izany amin’ity indray mitoraka ity. Sambany rahateo no natao fanamarihana miezinezina. Mifanandrify amin’ny tsingerin-taona nandraisan-dry zalahy miaramila ny fitondrana rahateo ny fotoana. Roa sosona ny fankalazana. Efa nivolonandro fety tao an-drenivohitry ny Faritra Sofia nanomboka tamin’ny alahady. […]





