kolon-tsaina

Tantara an-tsary: namoaka ny “Trafika” Rafally sy i Rolling Pen

Velombelombolo indray ny tantara an-tsary. Fantatra fa efa nivoaka ny “Trafika”, tantara an-tsary nifarimbonan’i Rolling Pen sy Rafally. “Tantara noforoniko havoaka an-gazety no niantombohany, kanefa hitako hoe tsara kokoa raha hatao tantara an-tsary. Niantso an’i Rolling Pen amin’ny traikefany eo amin’ny fanoratana tantara aho, satria izy no efa niara-niasa tamiko […]

Niditra hopitaly…: miantso tolo-tanana i Janga Ratah

Efa herinandro maromaro izay no tojo tsy fahasalamana i Janga Ratah. Nihombo hatrany ny aretin’ity mpanakanto ity, ka voatery nampidirina hopitaly etsy Befelatanana izy. “Mila vola ny fitsaboana ka angatahana isika namana mpanakanto, indrindra isika mpankafy azy mba hitondra izay voarambin’ny tanana”, hoy ny fanentanana nataon’i Jaojoby, raha tonga nitsidika […]

RFC andiany faha-17: ho avy i Gérard Jugnot, mpanatontosa sarimihetsika

Manana talenta sy fahaiza-manao ny Malagasy, raha eo amin’ny  sarimihetsika. Tsy ampy anefa ny fanofanana sy fifampizarana, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara. Ho fanarenana ny lesoka, hanam-bahiny miavaka ny RFC andiany faha-17. Miditra amin’ny andiany faha 17 ny « Rencontre de Film Court ». Lasa “17ème Madagascourt Film Festival” ny anarany, […]

Soratononina 2022: mpifaninana 6 tsy nahitana diso

Nozaraina tamin’ny zoma 18 novambra 2022 teo, teny amin’ny lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny vokatry ny fifaninanana Soratononina 2022, fifaninanana nokarakarain’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy. Boky maro sy lelavola no loka nomena ireo mpifaninana mendrika ireo mba hahafahany manohy ny fikarohany sy fitrandrahany ny teny malagasy. Nisy […]