Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo hetsika karakarain’ny Sehatra Bagasy, ho an’ity volana septambra ity, hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny sabotsy 5 septambra izao, ilay fampisehoana «Alavizana an-kira». «Hiaraka hankafy sy hifehy ny hiran’izy 3 mirahalahy Telonohorefin’ny hira teatraly isika», hoy ny nambaran’i Mbosa tamin’ny mpanao gazety, […]
kolon-tsaina
Sy Ratolojanahary: “Mihen-kasina ny teny malagasy ka mila fanarenana”
Anisan’ireo tanora malagasy, fantatry ny maro ao amin’ny tambajotran-tserasera, i Sy Ratolojanahary. Raim-pianakaviana sy Mpanao gazety ary mpanabe an-tserasera, sady mpanoratra ny tenany. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, omaly. Gazety Taratra (*): Inona no nahatonga anao ho liana kokoa amin’ny teny malagasy nefa saika mandalina ny teny vahiny ny ankamaroan’ny […]
Fiainam-piarahamonina: mahazo tsiny ny fanabeazana sy ny kolo saina
Vono olona atsy, fakana an-keriny aroa. Sorona? Fa misy inona?… Mikorontana ny fiainam-piarahamonin’ny Malagasy. Firenena voaozona? Misy mamboly horohoro? Voakitika ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina. Tsy voahaja intsony ny soatoavina. Nanjary mora sy tsotra amin’ny Malagasy ny mandatsaka aina, sns. Mikorontana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Mahazo tsiny ny fanabeazana. Tsy […]
Feo Gasy: hitohy any Eoropa ny seho
Fiverenana an-doharano. Izay no azo hamehezana ny seho nataon’ny Feo Gasy ny sabotsy teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Manamarika ny fiverenan’ny tarika eo amin’ny fitetezam-pirenena iny, ka niniana natomboka taty an-tanindrazana. Hitohy amina daty maromaro any Eoropa izany, aorian’ izao, ka ao France ny ankamaroany. Seho nanjakan’ny tamberina sy tsiahy […]
Seho faran’ny herinandro: samy nahazo ny anjarany ny teto an-drehivohitra
Rap, vazon’ny tanàna, vazo miteny, rock, ba gasy… samy nanana ny mpankafy azy ireo fampisehoana teto Antananarivo, indrindra ny omaly. Hahafeno ny toerana daholo ve ireo? Fanontaniana napetraky ny maro mahakasika ireo fampisehoana marobe izay nitranga ny faran’ny herinandro teo izany, indrindra teto Antananarivo. Nivoaka ny valim-panadinana: samy afaka avokoa! […]




