kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampia­rahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy […]

Dihy ankehitriny: hanatanteraka seho miavaka ny Cie Katrakala

Hotontosaina ny sabotsy 18 mey 2024, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny “Tasy”. Fampisehoana maroloko ifangaroan’ny dihy sy ny mozika ary ny saripika, hiarahana amin’ny Compagnie Katraka­la. Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra noho ny fanapotehana sy fanimbana ataon’ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy toy ny mahazatra anefa […]

Literatiora sy asa soratra: ankalazaina amin’ity taona ity ny faha-100 taonan’i Felanavokon’Itasy

Vitsy mpahalala nefa manana karazana tononkalo tsara kalitao sy manana ny mampiavaka azy i Felanavokon’Itasy. Maro ny hetsika fankalazana izao faha-100 taonany izao, natao hahatsiarovana sy hampahafantarana azy. Anisan’ireo mpahay kanto tsaroana manokana amin’izao volana mey izao, na dia vitsy aza ny mahafantatra azy, i Felanavokon’Ita­sy. Nisy ny hetsika nanamarihin’ireo poeta […]

Fetin’ny Reny: ny vehivavy fanaja

Anisan’ny hevi-bahiny naparitaka teto Madagasikara ny hoe : « tsy manaja vehivavy ny Malagasy », « manampatra fahefana amin’ny vehivavy ny lehilahy », « fanaka malemy ny vehivavy », sns. Petatoko nentina nampifandrafy ny lehilahy sy ny vehivavy ireo. Fomba fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny tany tiany hidirana sy hopotehina. Tsy ireo velively no endrika nisaloran’ny vehivavy […]

Analamanga Parc: hiray sehatra ny groupe Daniel sy i Mamina

Hiavaka kokoa amin’ny mahazatra ny eny Analaman­ga Parc, amin’ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao. Ankoa­tra ny maha toeram-pitsangantsanganana sy toerana misy karazana fialamboly maro azy, hisy fampisehoana ihany koa nomanin’ny mpikarakara amin’ity. Hifandimby an-tsehatra amin’izany i Mamina sy ny groupe Daniel. I Mamina, izay anisan’ireo mpanakanto miaka-daza amin’izao fotoana. Manana […]