Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Amparihingidro, Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Amborovy, Ambondrona hatrany Amparihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana […]
Taratra
Ambohijanaka : Jiolahy iray voatifitra
Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay […]
Trafikana olona : Afrikanina roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Tratran’ny polisy tetsy 67 ha ny telo lahy, mpanondrana olona antsokosoko any ivelany. Notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy ireo, rehefa nohenoin’ny fampanoavana. Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 ha ny teratany Ganeanina roa lahy sy ny Malagasy iray namany. Mpanondrana olona antsokosoko hiasa any ivelany izy ireo. Naiditra am-ponja […]
Minisiteran’ny Tontolo iainana: hametraka fanodinana fako miisa enina
Mifototra amin’ny vina fototra fito ny fandaharanasan’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) : Toekarena maharitra sy ny fiarahamonina tomponandraikitra, ny famatsiam-bola maharitra, ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny voly hazo sy ny fitandrovana izany, ny diplaomasia maitso sy ny fiaraha-miombon’antoka, ny fitantanana voatsara, ary […]
67ha Avaratra Andrefana : nisitraka jiro cobra ny mponina
Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana. Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fokontany 67 ha Avaratra Andrefana. […]