Taratra

« Ventson’ny Be Art » : Mifandrary ny kanton’i KaMi sy Zongo Bilaky

Manome sehatra hisongadinan’ny fahasamihafan’ny fomba fanehoan’ny mpanakanto ny sanganasany ny Tokotany Be Malagasy. Anisany ny fampirantiana mandeha ao, amin’izao fotoana. Mpanakanto marolafy roa, samy manana ny aingam-panahiny, samy manana ny fironany eo amin’ny famoahana izany ho zavakanto ihany koa. Ny itovian’i KaMi sy i Zongo Blaky dia izay fitiavana mizara […]

Toamasina : Niofana ireo mpitsabo eny amin’ny hopitaly

57 ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny hopitalin’i Toamasina manaraka fiofanana maimaimpoana momba ny vonjy voina. Ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana avy amin’ny masoivoho amerikanina sady mpampiofana ny Croix Rouge amerikanina no nanatanteraka izany. Sady mianatra ny teknika, mampiasa “défibrilateur” ivelan’ny hopitaly no manao fampiharana avy hatrany […]

Kaominina Vohémar: Nahazo fotodrafitrasa avy amin’ny Orange

Miara-miasa amin’ny kaominina Vohémar ny orinasa Orange Madagascar hanavaozana ny fotodrafitrasa efa misy any an-toerana sy hanatonana bebe kokoa ny vahoaka. Mifandraika amin’izany ny fananganana fotodrafitrasa vaovao na fanatsarana ireo nampiasaina taloha hitondra fivoarana ho an’ny tanàna. Tafiditra ao ny fanavaozana tanteraka ny bazary Ambondrona. Sady lasa toerana madio no […]

Ady amin’ny kitrotro sy ny poliomelita : Hisy ny fanaovam-baksiny faobe manerana ny Nosy

Anisan’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro. Hanatanteraka hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamine A, ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 9 oktobra izany, eny […]

Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka

Mbola mitohy any Sa­marcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa […]