Taratra

Yfomac Initiative : mpilalao telo vavy homena 50 dolara isam-bolana

Miditra amin’ny sehatra matihanina ny Yfomac Initia­tive, izay efa 5 taona. Hany sekolin’ny baolina kitra tokana mitaiza tovovavy fotsiny eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny ilay vovonana Next Best Player any New –York izy ireo. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Andoha­tape­naka ny fifanarahan’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany i Yannick Davidson, filoha […]

SOMBIM-BAOVAO

Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Ambohijatovo, fa handray ny « Africa Cup 2024 », taranja basikety 3×3, lahy sy vavy, i Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity, efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisana azy. Notanterahina ny alahady lasa teo, […]

Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern

Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Alle­magne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Anisan’ny […]

Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3

Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga […]

INDRAY MIJERY

Nifarana ny zoma teo ny fara fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny 11 mey kosa no hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 22 jolay ka hatramin’ny 26 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary mitohy hatramin’ny 1 aogositra izany, ho an’ny sokajy teknika. […]