Taratra

Masoivohon’ny Iran: nitsidika sy nitafa tamin’ny filohan’ ny Antenimierampirenena

Omaly, nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana an-dRazanamahasoa Chris­tine, filohan’ny Antenimieram­pirenena, teny Tsimbazaza, ny Masoivoho vaovaon’ny Re­poblika Islamikan’Iran eto Ma­dagasikara, Hassan Ali Bak­hishi. Anisan’ny noresahina nandritra ny fihaonana, ny momba ny fifandraisana ara-diplomatikan’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sy ny hijerena ny sehatra hafa afaka hiarahana miasa ho […]

Haja Nirina: “Mbola ambany ny taham-pisoratana anarana amin’ny Rale na niakatra aza”

Aiza ho aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Mitatitra ny fanaraha-maso nataon’ny fikambanana ny tomponadraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Haja Nirina: “Mbola ambany ihany ny taham-pisoratana anarana raha ampitahaina amin’ny teo aloha, satria efa nisy fotoana tafakatra 7% izany.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny […]

TARATRY ny KANTO

Fampirantiana hosodoko, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Mitohy hatrany ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto mpanao hosodoko ao amin’ity toerana ity. Hiso­katra anio maraina ny fampirantiana arahina varotra ireo sanganasan’ireo mpanakanto anatin’ny “Association des artistes plasticiens de Madagascar”, na ny AAPMCAR. Haharitra hatramin’ny 5 avrily izao izany. Natomboka omaly, teny amin’ny Tranomboky […]

Fihetsiketsehana no betsaka : malaza tsy ampiasaina toy ny « teny ibeazana »

Manana ny teny malagasy ny Malagasy. Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny teny ibeazana ny Malagasy… Saingy, ny voalohany malaza tsy ampiasaina, ny faharoa ny fihetsiketsehana no betsaka. Misy olona na vondrona olona mikendry ny hamotika tante­raka ny teny malagasy eto. Anisan’izany ireo minia mikipy manoloana ny tena zava-misy […]

Havatsa Upem : novelomina an-tsehatra ny tonokalon’ny mpikambana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Cla­risse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo […]