Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ Itasy, taranja baolina kitra, sokajy lahy sy vavy. Miditra amin’ny andro faharoa ny fifaninanana ho an’ny vehivavy. Ao Analavory no hanatontosaina izany, ho an’ny sokajy vehivavy. Kianja telo kosa no handray ny lalao ho an’ ireo lehilahy. Tsy […]
Taratra
Beach soccer : tsy nivoaka vondrona ny Faraonan’i Egypte
Nofaranan’Italia ny dian’i Egypte, solontenan’i Afrika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja “Beach soccer”. Mbola manana fanantenana i Sénégal. Tanterahina ao amin’ny kianja Dubai Design Disctrict Stadium, ao United Arab Emirates, nanomboka ny 15 febroary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Nitsidika ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsakorana naharitra teto an-dRenivohitra ny delegasion’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fokontany Andrefan’i Mananjara, boriborintany fahefatra, no notsidihina niaraka tamin’ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano tra-doza miisa 489, […]
Andron’ny sekoly : entanina hamboly hazo ny mpianatra
Hotanterahina ny 28 sy 29 febroary ary hitohy ny 1 marsa ny fanamarihana ny Andron’ ny sekoly manerana ny Nosy. “Sekoly ivon’ny fiarahamonina, mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny fandrosoana lovainjafy”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny 3 andron’ny hetsika. Fotoana hanentanana ny mpianatra hamboly hazo sy hanazavana amin’izy ireo […]
Boriborintany fahatelo : mitohy ny asa fanadiovana
Mitohy ny asa fanadiovana hiarahan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina. Fokontany telo, ao amin’ny boriborintany fahatelo, no nanaovana ny asa sandaina sakafo, ka olona 205 no manao ny asa. Fokontany Ankazomanga Andraharo, eo amin’ny Canal C3 hatreny Andraharo, fanalana fako sy tsinkafona no atao ka olona 100 no miasa haharitra […]