Taratra

Rotary Vovonana Analamanga: nahazo jiro ny fokontany 11 any Manalalondo

Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Mana­lalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatante­raka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsin­jaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, […]

Tsena iraisam-pirenena: miisa enina ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena

Miverina misokatra ny fanondranana volamena mankany ivelany rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra takina amin’ ny fandraharahana Fantatra avokoa ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena mankany ivelany. Miisa enina izy ireo izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. Naseho ampahibemaso teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, […]

TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina i Andry Elrà. Izy indray no nosafidian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mandritra ny “Sehatry ny mpanoratra” amin’ity volana ity. Poeta sy mpanoratra ary mpanao gazety avy any amin’ny Faritra Itasy i Andry Elrà. Maromaro ireo hetsika hampahalalana azy sy ny asa sorany mandritra izany. “Ho aiza”? Fampirantiana ny […]

« Variations »: hahazo tombony ny mpisehatra haisoratra

Tontosaina eny amin’ny Institut français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny 21 sy 24 febroary 2024, ny “Va­ria­tions”. Mpahay kanto maro samihafa no hiandraikitra ny fanatontosana izany, mandritra ireo fotoana ireo. Mandray anjara amin’izany Mose Njo, Elie Ramanankavana, Hary Rabary, Kemba Ranavela ary i Njaka Rakotonirainy. Han­dra­vaka ity hetsika ity ihany […]

« Mifampitantana 2024 »: manome fotoana ny mpankafy indray i Bodo sy i Poopy

Tany amin’ny 15 taona lasa no nivoaka ilay tamba-kira malaza nataon’i Bodo sy i Poopy. Nanomboka teo, lasa fampisehoana anisan’ny be mpiandry indrindra ny fiarahan’izy ireo. Ho avy ny manaraka. Ity angamba ny fampiaraham-peo be mpankafy in­drindra… Ary mbola miandry hatrany ireo mpankafy, ka manome fotoana azy ireo indray i […]