Taratra

Sesam andiany faha-4 : hatao ny 10 hatramin’ny 12 mey izao

Raikitra ny andiany faha-4 amin’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et salon des Arts Martiaux), izay hotontosaina ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, ao amin’ny La­pan’ ny fanatanjahantena Maha­ma­sina. Tsy miova ny tanjona, ny hampiroborobo ny taranja “sports extrêmes” sy ny “Arts martiaux” eto Madagasikara ary indrindra ny fanabeazana ireo tanora […]

Ping Pong – «Mondial 2024»: lavon’i Madagasikara i Nigeria

Nahazo fandresena voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra i Madagasikara, omaly. Resintsika ireo ekipa voafantin’i Nigeria. Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy mpilalao. Resin-dry zareo tamin’ny isa […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fampirantiana momba an-dRatsimandrava. Afaka mitsidika izany ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy, amin’ity herinandro ity, ireo liana. Ankoatra izay, hisy ny famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona hataon’ny jeneraly Ramaka­velo sy Ratsimandrava Danielle, zanaky Ratsiman­drava Richard. Hotohizan-dRakoto­naivo Julien, akademisianina sy mpandalina tantara ny sehatra avy eo. Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny […]

Fivoriana an-tampon’ny Unesco: hampidirina anaty rafi-pampianarana ny kolontsaina

Hisy ny sehatra maneran-tany vaovao, hanamafisana ny fanabeazana ara-kolontsaina sy ara-javakanto. Amin’ny alalan’ny fampidirana izany ho ao anatin’io politika sy rafi-pampianarana io. Anisan’ny tapaka nandritra ny fivoriana an-tampon’ny Unesco, mom­ba ny fa­nabeaza­na ara-kolon­tsaina sy ara-javakanto natao tany Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis, ny 14 sy ny 15 febroary teo io. […]

Slamour 2024: azon’i Mitsinjo ny laharana voalohany

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika famaranana « Festival des Livres Romantiques ». Nama­rana­na izany ny seho hatsikana niarahana tamin’ny Rire délire sy ny fifaninanana Slamour 2024. Nandrombaka ny fifaninanana i Mitsinjo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ezahina hatrany ny hanamaro ny hetsika sahala amin’izao […]