Hankalazaina ny 21 feboary ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. Hisy hetsika ara-tsiansa karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary olona eny anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siansa maha olona, oniversiten’Antananarivo. Ny lohahevitra hoe “teny malagasy ahefan-draharaha” no hifampizarana ao amin’ny Amphi ehibe EGS DSP Ankatso. Nitsidika […]
Taratra
Lycée teknika: nivoaka ny tetiandron’ny fanadinana
Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 20 sy 21 […]
Sambo “Merci Ships” : natsahatra ny fisoratana anarana
Natsahatra aloha ny fandraisana anaran’olona maniry hisitraka fitsaboana sy fandidiana ao amin’ny sambo lehibe “Merci Ships”, izay miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina efa hatramin’ny 1 febroary lasa teo. 12 andro aty aoriana, tsy misy ny fandraisana anaran’olona ary najanona ihany koa ireo efa natao nialoha ny volana oktobra 2023. […]
Fanararaotana mamoafady: lasibatry ny internet ny ankizy sy ny tanora
Nitady vahaolana momba ny fanararaotana mamoafady amin’ny internet mianjady amin’ireo ankizy sy tanora ireo tomponandraikitra mahefa. Nitarika ny dinika momba ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny internet eto Madagasikara ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Steaphie Arnold, ny faran’ny herinandro teo. Maro […]
Fampiroboroboana ny indostria: Liana hampiasa vola eto amintsika i Egipta
Liana ny hampiasa vola eto Madagasikara ny egiptianina amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitra Razafindravahy Edgard ny ambasadaorin’i Egipta, Rabab Abdelhadi, ny alakamisy teo. Voaresaka manokana ny fomba fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nilaza ny ambasadaron’i Egipta fa efa nifanakalo hevitra tamin’ny sehatra tsy mianakina izy hatramin’ny nahatongavany teto Madagasikara […]