Taratra

trafikana zava-mahadomelina : Malagasy roa sy maorisianina iray tratra

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Mahajanga ireo Malagasy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fana­ovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Mbo­la ao anatin’ny fanadihadiana kosa ny teratany maorisianina iray tratra niaraka tamin’izy roa lahy ireo. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo (CSP2) sy ireo sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Mahajanga, […]

Variana nanangon’entana : jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Noraisim-potsiny! Tratra teo am-panangonan’entana ireo jiolahy namaky tranon’olona tao Soamanandray, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny sabotsy vao maraina. Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka niditra antsokosoko ireto olon-dratsy. Efa-dahy ry zalahy no mpiaraka manao asa ratsy toy izao. Roa lahy nibata avy ao an-trano raha mandray izany eo an-tokotany kosa ny […]

Taxi-be 119 nivadika : zaza 6 taona ny iray tamin’ireo telo maty

Potika tanteraka ny taxi-be 119 iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Telo mianaka niara-maty. Niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny zaza 6 taona, vehivavy iray sy ny mpamily tao amin’ny fokontany Andriam­bilany, distrikan’Ambato­lam­py, ny sabotsy 19 oktobra teo. Fianakaviana avokoa ireto nandeha fiara spécial ireto. Namonjy lanonana tany Antsirabe izy ireo ka […]

Rugby – «Top 12 Mada» : very izay resy eo amin’ny Besetroka sy Ankady

Hitohy rahampiso, etsy amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Top 12 Mada”, taranja rugby. Anisan’ ny fihaonana goavana ary hiendrika famaranana kely ny an’ny USA Ankadifotsy (Anka­dy) sy ny UAS Cheminots (Be­setroka). Very mantsy izay resy eo amin’ny roa tonta. Midina any amin’ny D2 […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanomboka anio ary hitohy rahampitso, eny amin’ny Kianja CFFA Andoharanofotsy, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny amboara « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) », taranja baolina kitra. Lalao 8 no voalahatra amin’izany ka 4 hatao anio ary rahampitso ny 4 ambiny. Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanam-pirenena, taranja handball, sokajy Sénior, […]