Taratra

Vondrom-bahoaka eny ifotony : hisy ny fanatsarana ny famatsiam-bola

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fitsidihana fifanakalozana ny Tahirim-bola fampindramam-bola ho an’ny vondrom-bahoakan’i Côte d’Ivoi­re, atao eto Antananarivo, ny 25 hatramin’ny 29 novambra ho avy izao. Ny mahakasika ny famatsiam-bola sy fanatsarana ny fomba fiasan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no hisongadina mandritra izany. Eo ihany koa ny fivoriambe […]

Miandry vely kanonta…

  Nanaitra ny fanambarana farany navoakan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI, ny 11 oktobra lasa teo, mahakasika an’i Madagasikara. Teboka iray tsy azo atao ambanin-javatra ny antso avo ataony amin’ny mpitondra fanjakana mba hampihatra ny politikan’ny fitsitsiana. Efa an-dohalika ny ranom-bary raha ny faharitran’ny tahiry ara-dalàna ao amin’ny kitabom-bola an-dRamalagasy. Efa […]

Ady amin’ny kolikoly: tsy maintsy hajanona eto ny tsimatimanota ?

Mitohy ny fakan-kevitra isan-dohahevitra handrafetana ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, taona 2025-2030. Ny eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana indray ny atrikasa teny Anosy, omaly. Ny amin’ny fiarovana sy fitantanana ireo karazam-biby sy hazo sarobidy. “Hita tamin’ny atrikasa hafa, fa misy mifampidipiditra ihany ny resaka: tsy maintsy hajanona eto Madagasikara […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Tana Hotel Boutique Antaninarenina, ny fampisehoana “Jazz Night”. Ireo sangany eo amin’ny gadona Jazz eto Mada­gasikara no hanafana ny sehatra mandritra izany fampisehoana izany. Anisan’izany i Solo Andrianasolo, Sanda Ranaivosoa, Tsitohaina Ratsimba ary i Sitraka Ranaivosoa. Hiavaka kely ny seho eny amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo, […]

Herinandron’ny Havàtsa-Upem: hisongadina ny tontolon’ny haisoratra sy ny literatiora

Hanomboka ny 22 hatramin’ny 26 oktobra izao ny He­rinandron’ny Havàtsa-Upem, 2024. Hisy, araka izany, ny hetsika ara-kolontsaina maro hanamarihana izany etsy amin’ny Efitrano Dox Tranombo­kim-pirenena Anosy. Hana­son­­gadinana sy hanandratana bebe kokoa ny tontolon’ny haisoratra sy literatiora ma­lagasy ny hetsika. Maro ny hetsika homarihana mandritra izany. Natokana sy hanasana ny rehetra […]