Taratra

Tanjombato : trano fanaovana fanaka may

Nitrangana haintrano goavana indray teny Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina teo ho eo. Trano lehibe fanamboarana fanaka ity kila hotohoton’ny afo ity. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra niaraka tamin’ireo fitaovana ary fanaka efa vita kasaina hamidy. Haingana ny fiitaran’ny afo ka niampita tamin’ireo trano teo amin’ny […]

Lehilahy nalefa any am-ponja : zaza miisa fito nasesiny naolana

Telo taona ny zandriny indrindra amin’ireo zaza miisa fito naolan’ny lehilahy iray. Tratra tao Mahajanga ity farany ary notanana am-ponja. Voasambotry ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny fitaleavam-paritra Boeny ny lehilahy iray nanolan-jazavavy miisa fito tao amin’ny fokontany Anta­namalandy, kaominina Ma­hajanga, ny 11 oktobra teo. Anisan’ny nananan’ny fianakaviana fahatokisana ity lehilahy […]

mpisoloky amin’ny facebook : saron’ny polisy teny Tanjombato

Voasambotry ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), teny Tanjombato, ny talata teo, ny lehilahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny facebook. Mody mitady sarina vehivavy ao amin’ny facebook izy ka mamorona kaonty sandoka. Mampiresaka lehilahy nofidiany mialoha izy ka hanaovany resaka miendrika fivarotan-tena miaraka amin’ny sarin’ireo vehivavy […]

Fisolokiana amin’ny resaka tany : naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny boriborintany iray

Endrika fisolokiana amin’ny resaka tany hafa indray ny teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano. Voarohirohy amin’izany ny lehiben’ny boriborintany iray. Nahazo fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa misy ny fiahiahiana kolikoly, fanamparam-pahefana, hosoka mifandray amin’ny fanaovana taratasim-pandovana hosoka, nataon’ny mpiasan’ny boriborintany ao amin’ny distrika Avaradrano. Nangataka didim-pitsarana hizakana fananantany […]