Taratra

Toliara : miaramila maty voatifitry ny dahalo

Maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, ny 10 oktobra 2024 teo, ny miaramila iray kilasy faharoa, Narson Frédéric, avy ao amin’ny Bataillon d’infantérie Toliara. Noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny feny no nitarika ny fahafatesany na efa nentina haingana nihazo […]

Telo andro nifampitadiavana: tovolahy hita faty natsingevan’ Ikopa

Hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Tanjombato ny tovolahy iray, omaly tolakandro. Voalaza fa nivoaka ny trano izy telo andro lasa izay ka nifampitadiavan’ny fianakaviany. Tovolahy vao erotrerony hita faty teo amin’ny ranon’Ikopa, ambanin’ny tetezan’i Tanjombato, omaly tolakandro. Olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona tao ana­tin’ny rano. Nahatsikaritra […]

« Salon de l’Auto » : hasandratra ny fiara elektrika

Nanomboka omaly hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny hetsika « Salon de l’auto », karakarain’ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara eto Madagasikara (GCAM). Miisa 10 ny mpikambana ao aminy, ary 25 ny mpampiranty, ahitana mpivarotra fiara amin’ny ankapobeny, kamiao, fiara vaventy enti-miasa, moto, kojakoja, vokatra ilain’ny fiara, […]

Seranam-piaramanidina Ivato : azo antoka ny famatsian-drano

Miandraikitra ny famatsian-drano ireo fiaramanidina miainga eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Ivato Antana­narivo ny orinasa MGH. Nandray fepetra ity orinasa ity mba tsy hiantraika any amin’ny kalitaon’ny tolotra omena ireo kaompania vahiny. Manome toky ny MGH fa azo antoka hatrany ny famatsian-drano fisotro any anaty fiaramanidina ho an’ireo kaompania miainga eny […]