Taratra

Fifidianana filohan’ny FMF : miisa dimy ny kandidà hofidin’ireo ligy 22

Taorian’ireo kandidà telo, fantatra omaly avokoa ireo olona nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nifarana omaly tamin’ny 6 ora hariva, teny Iso­raka, ny fe-potoana nomena ireo olona hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny FMF, miisa dimy […]

vehivavy Naiditra am-ponja : nampiasa pasipaoro frantsay hosoka

Naiditra am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ny vehivavy iray tratra nampiasa pasipaoro frantsay hosoka. Voasambotry ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izy noho ny fampiasana io pasipaoro frantsay hosoka io, ny 10 septambra 2023 teo. Teo am-pikasana hivoaka ho any Addis-Abeba ity vehivavy ity no hitan’ny polisy fa hosoka ny […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra : miavaka ny otrikarena any Fitovignany

Nisokatra omaly ary hifarana rahampitso ny “Journée internationales des régions” na ny Jir, ho an’ny faritra Fitovignany. Tafiditra amin’ny andiany fahafito izany ary tanterahina ao Manakara. Ma­nana otrikarena maro toy ny fambolena, ny fiompiana tantely, ny fanodinana Loha­menaka “Huile essentielle”, ny harena an-kibon’ny tany ny any an-toerana. Mampiavaka iny faritra […]

Ceni : “Efa an-dalana ny karatry ny mpifidy”

“Raha ny tokony ho izy, efa an-dalana na efa eny amin’ny biraom-pokontany ny karatry ny mpifidy amin’izao”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Antony mety somary nahatratra aoriana izany amin’ny toerana sasany, nisy olana tamin’ny fanontana azy. Hasiana fitomboka koa ny karatra rehefa voatonta. Raha tratra aoriana […]

Rakotoarisoa Florent : “Aoka tsy holotoina ny HCC”

Anisan’ny voatonontonona matetika tato ho ato ka nitondra valin-kafatra ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, omaly, tetsy Ambohidahy. Nitondra fanazavana momba izany ny tenany. Anisan’ny noresahany ny momba ny antontan-taratasin’ny kandidà Rajoelina Andry sy ny dingana momba izany. “Aza lotoina ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaranay ny manadihady ny […]