Taratra

INDRAY MIJERY

Nahazo filazana fampitandremana miloko mena amin’ny herin’ny ranomasina ny eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana; miloko mavo kosa eo anelanelan’i Farafangana hatrany Nosy Varika. Tombanana hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’i Mo­rondava ka hatrany Farafangana. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny anio izany, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Noraisin’ny […]

Dimy taona aorian’ny nametrahana azy : simba ny 63% amin’ny fotodrafitrasa fahazoana rano madio

Nohadihadiana sy nojerena akaiky ny olana amin’ny fahazoana rano madio sy ny sehatry ny fahadiovana sy fidiovana eto amintsika. Tan­jona ny hanome tolotra azo antoka maharitra, afaka misedra ny fiovan’ny toetr’andro amin’ireo zavatra telo ireo. Nanatontosa ny asa ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, miaraka amin’ny tohan’ny Unicef. […]

Kaominina Ampefy : nisokatra ny fizarana kopia nahaterahana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny kaominina Ampefy, ny fizarana ny didim-pitsarana misolo ny kopia nahaterahana. Tamin’ny volana jolay no nanaovana ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny OIF. Efa mahatratra 1 561 ireo nisitraka izany. “Tom­bontsoa maro no azo amin’ny fananana ny solona kopia nahaterahana. Anisan’izany ny fidirana […]

Fanisana ireo olona mila tohana: fitaovana enti-manatsara ny fiahiana sosialy ny RSU

Imasoan’ny fitondram-panjakana manomboka izao ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana. Handrindrana ny fisitrahan’ireo marefo ny tohana sahaza azy izany. Hatomboka any amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana, ny alatsinainy izao, ny fanaovana ny rejisitra sosialy tokana (RSU) eto Madagasikara. Tetikasa tanterahin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny […]

TARATRY ny KANTO

Zoma Finaritra. Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, anio tolakandro, ny hetsika « Zoma Finaritra ». « Slam Session », iarahana amin’ny MST, no handravaka izany amin’ity anio ity. Raha tsiahivina, misokatra ho an’ny mpahay kanto rehetra ity hetsika ity, ho fanomezana sehatra azy ireo. “Ny lanitra sy ny fianakaviany”. Hivoaka eny amin’ny edisiona MBM, […]