Hotanterahina any Toamasina, ny 25 septambra izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tanin’ny farmasianina. “Ny farmasianina manamafy ny rafitra ara-pahasalamana” no lohahevitra voizina amin’izany. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manoloana ny Lapan’ny tanàna ho an’ny mponina any Toamasina no hanamarihana izany. Eo koa ny fitiliana diabeta sy tazomoka, fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra, vaksiny […]
Taratra
Indray mijery
Nanao fanambarana niraisana ny Fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM), omaly. Fikambanana misy ireo sendikàn’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina no mivondrona ao anatiny. Mipetraka ho arofanina ho an’ny fitondrana misy sy ny mpampiasa ny FSMM momba ny fanajana ireo zo aman-kasin’ny mpiasa rehetra. Hiakatra ny maripana ambony indrindra amin’ny […]
Razafiarison Laza: hamerina ny 200 tapitrisa Ar nangatahany
Nambaran’ny filoha mitarika ny RCR/Tolona, Razafiarison Laza fa tsy nandrotsaka kandidà indray izy ireo. “Haverina 100% ny vola efa voaray ary iantohana ny saram-pandefasana izany. Averina koa ireo vola tany amin’ny banky”, hoy izy, omaly… Niaiky ny tenany fa mbola betsaka ny vola ilaina hanatanterahana ny fampielezan-kevitra… Nankasitrahany anefa ireo […]
Lisi-pifidianana: « Efa nahitsy ireo lesoka », hoy ny OIF
Nifarana omaly ny dian’ny iraka manokan’ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF), teto Madagasikara. Fanaraha-maso ny momba ny fahalavorarian’ny zotram-pifidianana, indrindra amin’izao mialoha ny fifidianana izao, no tena anton’ny iraka. « Azo antoka ny lisi-pifidiana », hoy ireto iraka manokan’ny OIF ireto. Nanambara ihany koa izy ireo fa efa tontosan’ny Vaomiera manokana […]
Solonomenjanahary Aristide: “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”
Hanao ahoana ny fiatrehana sy fanatanterahana fifidianana amin’izao? Tsy vahaolana ny fihemorana, raha ny fijerin’ny filohan’ny ONG Taheza, i Solonomenjanahary Aristide. Fanehoan-kevitra… “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny ONG Taheza any amin’ny faritra Anosy, i Solonomenjanahary Aristide, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Ao anatin’ny […]