Mitohy hatrany ny fanatsarana ny diplomasia parlemantera ataon’ny avy eo anivon’ny Antenimierandoholona. Nisy ny fivahinianana nataon’ny loholona Ndremanjary Jean André, tany Montpellier. Tao anatin’ izany no nitadiavana fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha niampangana an’i Jean Luce Andriamihoatra, teknisianin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Voampanga ho niditra […]
Taratra
Fahatongavan-tsaina
Mahavalalanina ny fiarahamonina misy ny Malagasy amin’ izao fotoana izao. Izay jerena sy lalovana dia maizina, na ara-bakiteny na ara-keviny… Mahantra sy fadiranovana ny isan-tokantrano. Mitrongy vao homana ny ankamaroany. Bokan-trosa ny maro anisa. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana. Fadiranovana ny isam-baravarana, olom-bitsy no migoka ny tombontsoa. […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka tsy hakorontana ny firenena”
“Miantso fitoniana isika amin’izao fotoana izao. Aoka tsy hakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny teny fihantsiana hoe fanaovana iray sy iray. Raha fanaovana sy fifanandrinana politika no resahina: ny iray sy iray, efa vita ny fifidianana filohan’ny Repoblika”. Io ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny […]
minisiteran’ny fitsarana: hatsangana ny fisafoan-draharaha ankapobeny
Hatsangana amin’ity taona ity ny Fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana (Inspection générale de la justice). Fantatra izany tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Notanterahana omaly ny fifampiarahaban’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fitsarana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra fa hapetraka amin’ity taona ity ny fisafoan-draharaha […]
Tselatra
Nisy namaky ny alahady hifoha alatsinainy teo ny Emetteur an’ny orinasan-tserasera amin’ny alalan’ny fahitalavitra tsy miankina iray etsy Ambohimitsimbina. Hita sy fantatra izany nandritra ny fizahana nataon’ny teknisiana teny an-toerana, omaly maraina. Nisy fahatapahana kely ny fandehanan’ity fahitalavitra ity tamin’ny 12 ora alina talohan’io andro io. Namerina izany kosa ny […]