Taratra

Mifanimbazimba ny samy Malagasy: niteraka resabe ny zava-niseho teny Ambohimanga

Vao niatomboka andro vitsy ny taona 2023, nipoirana zava-mahavariana teny Ambohimanga, araka ny voalaza sy miparitaka be ao anaty tambajotran-tserasera. Voalaza fa nisy nametaveta ireo toerana manan-kasina. Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera samihafa ny vaovao nilaza fa : «Fotoana manan-tantara ny andro androany 29 desambra teny Ambohimanga izay niarahana tamin’ny tobim-pifohazana […]

Namearison Robert : “Tsy fisehose­hoana ny fambolen-kazo”

“Ny fambolen-kazo ataon­tsika hatramin’izay, toy ny hoe fisehosehoana fotsiny. Ny hazo maty no be­tsaka indrindra noho ny hazo velona. Manolo-kevitra izahay hoe: aoka izay ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana”, hoy ny filoha nasiona­lin’ny KMF/Cnoe Fana­beaza­­na olom-pirenena, i Na­mearison Robert. Aoka mba ho fambolen-kazona tompon’andraikitra no atao. Homena andraikitra ny firaisamonina ifotony […]

Fitantanana diosezy : hametraka ny evekan’Ambanja ny Mgr Tomasz Grysa

Anisan’ny miandry avy hatrany ny “Nonce apostolique” vaovao, ny Mgr To­masz Grysa ny fametrahana ny mompera Randriamalala Dona­tien Francis ho evekan’ Amban­ja. Hatao ny 15 ja­noary ho avy izao izany. Efa nigadona, afakomaly, eto Madagasikara, ity solontenan’i Vatikana eto amintsika ity. Mbola hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana, tahaka ny fanaon’ireo masoivoho […]

Depiote Voninahitsy Jean-Eugène : “Ilaina ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”

“Tiako ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mampitombo ny isan’ny mpifidy io”, hoy ny depiote voafidy tany Mora­fe­nobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugene. Satria araka ny fomba fitenin’ny olona hoe tsy mivaky loha amin’iny faritra misy an-dry zareo iny ny fitondrana nifandimby […]

Fahalasan’ny Papa Benoît XVI : naneho fiaraha-miory ny mpitondra sy mpanao politika

Naneho ny fiaraha-mi­om­bona alahelo amin’ireo mpino katolika eto Madaga­sikara sy ny maneran-tany ny filoha Rajoelina Andry. “Ta­min’ala­helo lehibe tokoa no nandrenesako fa nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Papa Benoît XVI. Handry am-piadanana anie ny fanahiny”, hoy izy. Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, i Benoît XVI koa […]