Nisokatra, omaly, tany Montréal, Canada, ny “Festival international du cinéma vues d’Afrique”, andiany faha- 39. Mandritra ny folo andro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Ny 30 avrily 2023 no hanatontosana ny lanonam-pamaranana, hamantarana izay voafidy ho mpandresin’ity andiany ity. Fifaninanana ho an’ny horonantsary avy aty Afrika izy ity. Ny […]
Taratra
Hira vokatry ny tany: hankalaza ny faha-30 taona an-tsehatra ny Ny any Aminay
Ny any Aminay… Mahalala ny sanganasan’ity tarika ity avokoa, rehefa mpankafy ny mozika vokatry ny tany. Sady hamerina ny fahiny no hanome ny taratry ny ho avy ny tarika. “Ataovy fihavanan-dandy ny fiainana”. Teny filamatry ny tarika Ny any Aminay, hatramin’ny niantombohany izay. Mbola tozoin’ ny tarika 30 taona mahery […]
Dinika momba ny fifidianana : tsy handray anjara ny MFM
Namoaka fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ny eo anivon’ ny antoko MFM, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rakotovazaha Olivier, omaly. “Tsy ho avy hanatrika ny fihaonambe karakarain’ny Ceni izahay. Tsy mba anisan’ny noraisin’izy ireo ny tolo-kevitray ka tsy ho tonga hanamasina ny tsy fahombiazany ny MFM”, hoy izy. Nohitsin’ izy ireo fa tokony […]
Fanentanana ny mpifidy : hamory vahoaka eny Ambohimanarina indray ny Tim
Hitohy ny faran’ny herinandro izao indray ny hetsiky ny antoko Tim. Hotanterahina eny amin’ny tokotanin’ny depiote Andriamampandry Todisoa eny amin’ny boriborintany fahenina izany. Nambaran’ny depiote Razara Pierre “Del kely” tao amin’ ny fandaharana “Miara-manonja-MM”, omaly, fa efa niantso ny eny anivon’ny distrika fahenina, amin’izao hetsika hatao izao ny depioten’Ambohimanarina. “Ho […]
Fakan-kevitry ny Ceni : handray anjara ny Hiffim
“Ny rafi-pifidianana sy ny rafi-panjakana no tsy mety, mahatonga an’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao. Tsy azo tohizana intsony izany ary tokony tsy ho azo leferina”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, teny Alarobia, omaly, momba ny hahatongavan-dry […]