Taratra

Na nivoaka aza ny mpanohitra… : tsy voatohintohina ny dinika notarihin’ny Ceni

Tsy nanakana ny firosoan’ny dinika teo anivon’ny Ceni ny nivoahan’ny mpanohitra ny efitrano, omaly teny Alarobia. Voaresaka ny dingana samihafa momba ny fitsirihana ny rindrambaiko. “Hanao ny fitsirihana ireo dingana nenti-nanatanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy no anton’ny fivoriana. Ny rindrambaiko ampisaina amin’izay no niarahana ni­fanakalo hevitra amin’izay […]

Fitsirihana rindrambaiko : nivoaka ny efitrano fivorian’ny Ceni ny mpanohitra

“Tsy feno hatramin’izao ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny vondron’ ny mpanohitra talohan’ny ni­voahan’izy ireo ny efitrano fi­voriana teny Alarobia, omaly, mialoha ny fandinihana izay dingana sy fomba hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko am­piasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Anisan’ny nanao sonia izany […]

Lian-dra !

Tankina tanteraka, tsy misy ambara, mahita ny fitotongan’ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny. Tsy hiteny izay vidim-piainana intsony, fa leo mitoriteny an’efitra. Andeha horesahina ny tontolon’ ny fanabeazana tanora amin’ny ankapobeny. Antony ? Tsy azo hodian-tsy hita ny firongatry ny herisetra, sy fidorohana, ary vono olona miseholany ao Toamasina. Nipoitra tao anaty fotoana […]

Fikambanana Liandra Mahery : mihorohoro ny mponina

Mampihoron-koditra ny zava-misy ao Toamasiana. Tsy mbola nisy hatrizay ny fijoroan’ izany fikambanan-jatovo maditra na Fikambanana Liandra Mahery(FLM) izany. Mihorohoro izaitsizy in­dray ny mponina ao Man­garivotra Toa­ma­sina nanomboka ny zoma, ny sabotsy nitohy hatramin’ny alahady teo. Olona telo no efa na­ratra mafy tao anatin’izay telo andro izay noho ny fisian’ireo […]

Fanafihana tokantrano nisy fahoriana : jiolahy roa lahy maty voatsatok’antsy

Nikorontana ny fiarahamonina tao amin’ny fokontany Tambohomandrevo-Fianaran­tsoa, omaly hariva. Nanafika tokantrano iray tra-pahoriana ny jiolahy roa lahy nirongo zava-maranitra tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefana teo. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo mpanafika ka nikendry ireo fao-dranomaso an’ireto tompom-pa­horiana. Nanohitra anefa ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa […]