Taratra

Fanamboaran-dalana : atomboka eny amin’ny Agosthino Neto Isotry

Atomboka eny Isotry ny fanamboarana ny lalana simba rehetra eto Antananarivo ma­nomboka androany. Tapaka, noho izany, ny lalana Agos­thino Neto Isotry ka hatrany amin’ny Aigle noir. Tapaka tanteraka, araka izany, ny la­lana eo amin’io faritra io mandra-pahavitan’ny asa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny tanànan’An­tana­narivo. Efa misy ny lamina napetraky ny tomponandraikitra […]

Montsana ny vidiny ambony indrindra : tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Araka ny notaterina teto omaly, nahatratra 11,5 % ny fidangan’ny vidim- piainana, ny janoary 2023 teo, araka ny tatitry ny FMI. Voaporofo sady mitohy izany ankehitriny, satria tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny vidim-bary eto amintsika. Taitra ny rehetra ! Tsy mitsaha-mitombo ny vidim-bary eto an-toerana. Tafakatra 4.000 Ar ny kilaon’ny vary gasy […]

Oniversiten’Antananarivo : manomboka ny 3 avrily ny fialan-tsasatra

Nivory ny filankevitra siantifika eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Voalazan’ny tatitry ny fivoriana fa efa voafaritra mialoha ny antony tokony hampiakarana filankevi-pifehezana ny olona iray ao anatin’ny oniversiten’Anta­nanarivo. Fisandohana olona, fanaovana hosoka, diplaoma hosoka… no antony mitarika amin’izany, araka ny fepetra napetraka nanomboka ny taona 2020. Miangavy ny tomponandraikitra ireo mpikambana […]

Tetikasa Haratonaina : manovo fahalalana ao Rwanda ireo talem-paritra sy ny Fid

Herinandro ny faharetan’ ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy miaraka amin’ny Fid, any Kigali Rwanda. Miompana amin’ ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana hisian’ny fahombiazana eny ifotony no anton’ ny fifampizarana traikefa. Efa lasa lavitra i Rwanda amin’io sehatry ny fiahiana ara-tsosialy io […]

Hopitalim-panjakana : hatsaraina ny fomba fandraisan’olona

Manaraka fiofanana ha­natsarana ny fomba fiasany ireo ekipan’ny sampana vonjy aina eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hampihatra avy hatrany ny fomba fiasa vaovao izy. Mila hita mison­gadina ny fiovana ka ireo manan-draharaha momba ny fitsaboana eny amin’ny ho­pitaly no hahatsikaritra izany voalohany. Hitohy amin’ny sampandraharaha hafa ny fiofanana hisian’ny fanatsarana hatramin’ny sehatry […]