Taratra

Ramamimampionona Gérard : “Tsy tokony hatahorana ny fifidianana”

“Lasa mihorohoro sy matahotra isika rehefa hiatrika fifidianana. Zava-tsoa sy sarobidy ny fifidianana. Nefa matahotra hiatrika izany isika, indrindra ny aorian’ny fifidianana”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramami­mampionona Gérard. Izay no iantsoany ny rehetra hoe: zava-dehibe ny fampanjakana ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fahamarinana. Ahoana no hahazoana ny hevitry […]

Tontolon’ny fitsarana : tsipahin’ny SMM ny tsindry sy ny fibaikoana ny mpitsara

Namoaka fanambarana, nosoniavin’ny filohany ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mibaribary sy miitatra ary mikorosy ny asam-pitsarana. Mifanalavitra ny kabary arahin-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny SMM fa nandalo dingana sy […]

Loholona Ramanambintana : nitsidika ny tany Antanifotsy

Fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Io no anisan’ny nanaovan’ny loholona Ramanambitana Richard, fidinana ifotony tany amin’ny distrik’Antanifotsy, afakomaly. Eo koa ny momba ny adidy aman’andraikitry ny ben’ny Tanàna amin’ny maha mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana azy ireo. Mba hisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny fitondrana tsara tantana izay fanatevenana ny fahaiza-manao izay. […]