Taratra

Antoko Hiaraka isika : haneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena

Hanatanteraka ny kongresy nasionaly, voalohany, ny antoko Hiaraka isika. Homarihina ao anatin’izany koa ny faha­dimy taona nijoroan’ity an-toko, naorin’ny Jly Camille Vital ity. Hanomboka ny 12 hatramin’ny 15 avrily izao any Toliara izany. Anisan’ny hi­songadina ny handinihan’izy ireo ny fiainana anatin’ny antoko. Eo koa anefa ny hanehoan’ny Hiaraka isika ny […]

Fiaraha-miasa : hanohana ireo kaominina ny loholona Frantsay

Noraisin’ny loholona, no­tarihin’Andrianandrasana Haja­niaina Tahina, tetsy Ano­sikely ireo loholona Frantsay, notarihin’i Olivier Cadic, omaly. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Fran­tsa, indrindra eo amin’ny samy Antenimierandoholona. Niompana amin’ny fanomanana ny fihaonambe hiarahan’ny loholona sy Malagasy mpandraharaha, andaniny sy amin’ ireo loholona miaraka amin’ ny Frantsay mpandraharaha ankilany […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Fandaminan-javatra ny fepetra noraisin’ny Atitany”

“Fandaminana ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany . Mba tsy ho tonga any amin’ny fihantsiana sy fifamonoana isika. Mafana ny rivotra politika ary hihamafana mandra-pahavita ny raharaham-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotondrasoa Fetra. Anjaran’ny mpitarika po­litika sy ny olom-pirenena no mandamina izay. Mba tsy ho tonga any amin’ny fikasihan-tanana sy […]

Jly Ravelonarivo Angelo: “Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka”

Nitondra fanazavana momba ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly. Nambarany tamin’izany fa ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena no maniraka ny tomponandraiki-panjakana handray fepetra mitsinjo ny filaminam-bahoaka. “Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra azo anaovana hetsika famoriam-bahoaka an-dalambe izao. Eo amin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikan’ny antoko […]

67 ha : naiditra am-ponja Rasta mpanendaka

Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra […]