Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja ireo jiolahy roa lahy mpamaky trano tratra tao amin’ny fokontany Ambohitradala, kaominina Andilamena, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena nanao fisafoana alina izy roa lahy ireo, ny 17 novambra lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Navesatra satria nitondra ireo entana avy nangalariny, nosakanan’ny […]
Taratra
Famonoana sy fanolanana: Voasaringotra ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona
Tsy afa-bela amin’ny raharaha fahafatesan’ny zazavavy 6 taona ny zanaky ny rahalahin-drainy. Hiakatra fitsarana ao Fianarantsoa, anio, ny lehilahy iray voatondro ho nahavanon-doza ka nahavitra namono ny anabaviny. Tsy olon-kafa mantsy, zanaky ny rahalahin-drainy ihany ilay zazavavy enin-taona niharan’ny fanolanana niaro vono olona. Nampiahiahy ny fianakavian’ny lasibatra ny fihetsik’io tovolahy […]
Marotsipoy : Basy Mas 36 azon’ ny zandary
Isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny hetsika opération coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe ireo manamboninahitra avy ao amin’ny andiany faha-48 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hetsika nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohitra izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy Mas 36 iray […]
Firehetan’ny seranam-piaramanidina Ivato: vokatry ny afon-tsigara!
Voalazan’ny loharanom-baovao fa afon-tsigara no ahina ho nampirehitra ny seranan’Ivato. Kila tamin’izany ny fiaramanidina dimy sy helikoptera iray. Mitohy ny fanadihadiana! Afon-tsigara, nandoro ny bozaka tao anatin’ny ny seranam-piaramanidina no voalaza fa mety ho niteraka ny fahamaizana teny Ivato, afakomaly. Fantatra izany taorian’ ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitandro filaminana tamina […]
Vehivavy mandraharaha : mitaky ezaka ny fitadiavana lalam-barotra
Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Madagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andranobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. […]