Hatramin’ny 1967, efa nisy teto Madagasikara, indrindra tany amin’ny tapany andrefana ireo karazana sambokely mpanjono makamba. Nandritra ny 40 taona mahery, nivoatra hatrany izany sehatry ny jono an-dranomasina izany tany avaratra sy avaratra andrefana. Ny vokatra makamba, ohatra, namepetra ny lafiny toekarena sy ny lafiny ara-bola teto amin’ny firenena, raha […]
Taratra
Faritra mando: ringana ny 25%-n’ny biby
Manana andraikitra lehibe amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny biby ny faritra mando. Mamatsy ny rano sy ny sakafo, manadio ny rivotra, miaro ny tontolo mananaina, sns. Anisan’izany ny ala honko, toerana fonenan’ny makamba, ahitana 532 kilao isaky ny hekitara. Tandindomin-doza ny faritra mando, ankehitriny. Araka ny antontanisa navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena […]
Atsimo Andrefana : mankato ny hisokafan’ny Base Toliara ny Antandroy
Mihamitombo sady mihamafy ny fitakian’ny mponina ny hanokafan’ny fanjakana ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny foko Antandroy, maro an’isa any amin’ny toerana hisian’ny tetikasa, mivondrona ao anatin’ny Fikambanana terak’Androy (Fitea), tafavory marobe tany Andaboly. Eo am-piandrasana ny fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ny mponina any Toliara. Toerana manana harena voajanahary […]
Ambatondrazaka-Amparafaravola : mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina
Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ao amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Io ny didy navoakan’ny préfet Ambatondrazaka. Nihatra nanomboka ny talata teo ny tsy fivezivezena amin’ny alina ao an-toerana. Voasazy, araka izany, ireo rehetra minia mandika ny lalàna napetraka. Hatramin’ny ora nanoratanay […]
Samy minday ny ainy !
Tena mampiteny ny moana ! Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana. Saika isan’andro no miovaova ny sora-bola amin’ny vidin’entana miranty eny an-tsenakely rehetra eny. Tsy hay lazaina ny vidim-bary, ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro. Azo lazaina fa mizaka ny tsy eran’ny aina tokoa ny vahoaka malagasy. Mihinan’ny tsy fihinana ara-bakiteny. Miova […]