Niarahaba noho ny fahatongavan’ny taombaovao ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa mikendry fiombonana sy firaisankina ny asaramanitra koa arahabaina ireo mandala izany, amin’izao taombaovao izao. “Tsy ataontsika sakana hifampirariana soa ho an’ny isan-tokantrano ary hananganana firenena feno fihavanana ny fahasamihafana”, hoy izy. Nirariany soa mba […]
Politika
Fitantanana eny ifotony: hofanina ireo vehivavy ben’ny Tanàna
Haharitra hatramin’ny rahampitso ny fanofanana ireo vehivavy ben’ny Tanàna, etsy Amparibe. Tafiditra amin’ny fiofanana ny fitantanana sy ny vola eny anivon’ny kaominina. «Miainga amin’ny zava-misy eo anivon’ny kaominina ny fanofanana. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny mpiasa, ny fampidiran-ketra, ny tetibola sy ny fandaharanasa», hoy ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena ho […]
Fakan-kevitry ny Ceni : tanjona ny fifidianana milamina
Ny dingana vita amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fampahafantarana momba ny tetiandrom-pifidianana, lafin-javatra samihafa momba ny zotram-pifidianana… Ireo no hakan-kevitra sy hifampizarana amin’ny fihaonan’ny Ceni amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, eny Alarobia, rahampitso. “Samy nantsoina na ny avy amin’ny fitondrana na ny avy amin’ny fanoherana. Eo koa ny avy […]
Solontena manokan’ny UA : “Antoky ny fampandrosoana ny fitoniana politika”
“Antoky ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ny fitoniana politika. Tomponandraikitra amin’izany avokoa ny mpisehatra politika sy ny olom-pirenena rehetra”, hoy ny solontena manokan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, tamin’ny fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Mifarana ny fe-potom-piasany, izay nanomboka […]
Rabekijana Félix : “Tsy ilaina fa famotehana firenena hatrany ny fitondrana Tetezamita”
Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix: “Famotehana firenena hatrany ny Tetezamita. Efa nitranga teto amin’ny firenena izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Tena ilaina […]