Politika

Filohan’ny Fanavaozana: “Anaovako fanaraha-maso izay nampanantenaiko”

Nitokana ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny filohan’ny Fanavaozana, afakomaly. Nambarany nandritra izany fa hanara-maso ireo zavatra nampanantenainy izy. “Hanaovako fanara­ha-maso ny zavatra izay nampanantenaiko, rehefa tonga aho.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Mahajanga, afakomaly, nitokana ny fahavitan’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Maha-janga. Ny tsy maintsy hamita ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy fanatanterahana andraikitra sy tsy fahatomombanana fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takin’ny asa. Ireo no antony fototra nampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, araka ny fampitam-baovaon’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Hamafisiny fa ampiharina amin’ny […]

Fanarenana ny firenena : Mitaky dinika madio ny Fitambolagnela

Nanao fanambarana ny antoko politika Fitambola­gnela fa miorina amin’ny fanarenana ny firenena no iorenan’ ny foto-kevitra ijoroany. “Mitaky dinika madio, marina ary tomponandrakitra, izay mametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambonin’ny tombontsoan’ny olon-tokana na vondrona,  araka izany,  ny antoko. Fahavononana hio­va, andraikitra iombonana,  fahitsiana ary fifampitokisana. Ireo no ilaina amin’ny fanarenana”, hoy ny nambaran’ny filoha […]

Filohan’ny Fanavaozana: ”Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena”

Nanamarika ny filohan’ny Fanavaozana fa zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana. Nandritra ny fihaonany tamin’ny hery velona tao Sainte Marie no nilazany izany. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoan. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavao­zana, ny kolonely Randria­ni­rina Michaël, nihaona tamin’ireo hery velona tao Sainte Marie, Analanjirofo, afakomaly. […]

FANTINA sy FINTINA

Dingana tsara ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy nahavaha ny krizy politika ny fikaonandoham-pirenena natao teto Madagasikara hatramin’izay, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy (FMI), Ratsietison Jean Jacques. Efa nisy fanapahan-kevitra voaomana mialoha ha­trany. Irariana mba tsy hitovy amin’izany izay hatao amin’­ izao, ary tokony ho voasolo tena amin’izany […]