7 taonina isan-taona ny volamena mivoaka antsokosoko eto Madagasikara. Tafakatra hatrany amin’ ny 250 miliara Ar ny vola vahiny tsy miverina. Any Dubaï no iafaran’ny entana na ny mandeha ara-dalàna na ny anaty varo-maizina. Mialoha izany, maro ny trangam-piarahamonina miafina tsisy sahy manatsikafona toy ny vono olona sy ny fanambakana. […]
Songadina
Fahasembanana ara-batana : Razanapaly Tojo, niezaka ary hankalaza ny faha-10 taonan’ny orinasakeliny
Anisan’ny olona manana fahasembanana niezaka sy nioitra teo amin’ny fiainany Razanapaly Tojo Hajanirina. Antony nandrisika azy tamin’izany ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nataon’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Fanondroana ny olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe sembana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika […]
Arofanin’ny tokantrano: Ilaina ny fisoratam-panambadiana, 5 000 hatramin’ny 30 000 Ar ny sarany
Mitombo isa hatrany ireo tanora sy mpivady mangataka ny hisaraka voaray eny anivon’ny tribonaly. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa anefa ny olona maniry sy miroso amin’ny fanambadiana ara-dalàna, raha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 66 ny mpivady nisaraka, raha ny tatitra voaray teny anivon’ny boriborintany fahefatra tamin’ny taona 2023 lasa teo. […]
FANDOAVAN-KETRA: mbola malaina ny Malagasy, mila fanentanana bebe kokoa
Malaina mandoa hetra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola mila ezaka mafy ny fanentanana ny rehetra hanao izany. Ezaka ataon’ny kaominina maro ny fidinana eny ifotony, mitety fokontany, mba hanentanana ny olona mahakasika izany. Efa nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra manoloana izany. […]
“Infection urinaire” na « cystite » : aretina mpahazo ny olona mipetraka lava, indrindra ny vehivavy
Anisan’ny tena mpahazo ny ankamaroan’ny olona mipetraka lava sy ny vehivavy bevohoka ny aretina « infection urinaire » na « cystite ». Toy ny mpivarotra, ny mpamily fiara, ny olona diabetika ary ireo matavy. Voan’ny aretina ihany koa ny ankizilahikely mbola tsy vita didimpoitra. Voan’ny aretina avokoa ny 1/3-n’ny marary […]