Songadina

Fambolem-bary an-tanety : vahaolana hiatrehina ny filana ara-tsakafo eto Madagasikara

Mbola tsy maharaka ny famatsiam-bary eto Madagasikara, antony mahatonga ny fanafarana vary avy any ivelany. Manodidina ny 780 000 taonina isan-taona ny voka-bary eto amin’ny Nosy. Vahaolana maharitra sy hanatsarana io vokatra io, eto an-toerana, ny voly vary an-tanety. Fomba nentim-paharazana hatrizay teto Ma­da­gasikara ny fambolem-bary. Tafiditra ao anatin’ ny […]

Homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza: aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo misy otrikaretina

Ankoatra ny ho­ma­miadan’ny nono, aretina fahefatra mpahazo ny vehivavy maneran-tany ny homamiadan’ny vozon’ ny tranonjaza. Aretina azo avy amin’ny otrikaretina HPV izy io. Azo avy amin’ny ala­lan’ny fanaovana firaisana ara-nofo ary mitarika fahafetasana raha tsy voatsabo. Tombanana ho 660 000 ny tranga vaovao amin’ ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, tamin’ny taona […]

Tsy fahafehezana lalàn’ny fifamoivoizana : 18 ny maty, 203 naratra tamin’ny fitondrana moto tamin’ity taona ity

Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy foana fa miha mitombo hatrany ny tahan’ ireo tranga sy ny fahafatesana vokatr’izany. Manodidina ny 70 ny tran­gana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto) teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny volana […]

13 mey 1972: ho an’ny fampianarana no tanjon’ny tolona tamin’izany

Daty anisan’ny ma­nana ny tantarany eto Madagasikara ny 13 mey, izay tsarovana anio. Daty nisehoana tolona nahery vaika, nokasain’ireo mpitolona ho fanovana ny tantara. Ankehitriny anefa, vitsy ny mpi­anatra, indrindra ny tanora sy ny ankizy, no mahalala izany. Fototra nijoroan’ny tolona tamin’ny taona 1972 ny mahakasika ny lafiny fampianarana. Ny mpianatra […]

Vonjy voina eo anivon’ny CRM: miahy ny maha olona sy ny marefo ny mpilatsaka an-tsitrapo

Sehatra iray ma­ha­liana ny ankamaroan’ny tanora ny fidirana amin’ ny filatsahana an-tsitrapo eto Ma­da­­gasikara. Ani­san’ny sampana iray manatanteraka ny fanampiana ny olona marefo manerana ny No­sy ny mpamonjy voina, Croix Rou­ge malagasy. Tambajotra miahy ny ma­ha olona sy ny marefo eto amin’ny Nosy ny sampana vonjy voina, Croix Rouge malagasy […]