Nahitam-piakarana 2000 – 3000 Ar mahery isan-kilao ny vidin’ny henan’omby eny anivon’ny tsena, raha ny fanazan’ny mpivarotra. Manoloana izany, nihena ny hena lafon’ny mpivarotra ao anatin’ ny iray andro. Noho ny fahavitsian’ ny mpanjifa sy ny henan’omby tonga eto Antananarivo. Manodidina ny 19 000 hatramin’ny 22 000 Ar eo ny […]
Songadina
Seha-pihariana kafe : mitotongana ny vokatra nanomboka ny taona 1990
Tsy anisan’ny firenena malaza intsony i Madagasikara ankehitriny eo amin’ny fanondranana kafe. Mitotongana ny vokatra eto an-toerana efa an-taona maro izay. 1 % ihany ny anjarantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’ny taom-pamokarana 2023-2024, mihevitra hanatratra 18 000 t ny Malagasy. Nitotongana ny sehatry ny kafe, indrindra nanomboka tamin’ny fiafaran’ny taona […]
Fanatanjahantena ho an’ny sembana : azo ireharehana ny vokatra azon’ i Madagasikara
Enta-mavesatra eo anivon’ny tokantrano sy ny fiarahamonina ny fijerin’ny Malagasy ny olona manana fahasembanana. Mihevitra izy ireo fa nisy tsy nety nataon’ny ray aman-dreny tany aloha ka antony nahatonga ny zaza iray ho sembana, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampivoatra ny fiainan’ ny sembana ny fanaovana fanatanjahantena. Entin’ny olona mangataka […]
Ananambo : be otrikaina sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
Miova ary mihasimba ny toetr’andro maneran-tany, tafiditra amin’izany i Madagasikara. Mizaka izany avokoa ny olombelona sy ny karazan-javamananaina rehetra amin’ny ankapobeny. Vokany, simba avokoa ny tontolo iainana. Mitombo ny tahan’ny tokantrano tratry ny tsy fahampiana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny famokarana sy fihinanana Ananambo. Mitondra soa sy […]
Telovolana faharoa : fotoana hampiakarana ny fahaizan’ny mpianatra sy hamitana ny fandaharam-pianarana
Miditra ao anatin’ny telovolana faharoa ny taom-pianarana eny anivon’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa, afakomaly. Izay hifarana amin’ny 1 marsa, araka ny tetiandrom-pampianarana 2023-2024. Mifantoka amin’ny famerenana sy fampahatsiahivana ny lesona natao teo aloha ny ataon’ny mpampianatra ao anatin’ny herinandro fidirana voalohany. Mba hampiverenana ny sain’ny ankizy amin’ny fianarana taorian’ny […]