Songadina

Ramamimampionina Gerard-Noël : “Manampy olona mba hijoro amin’ny maha izy azy sy ho olombelona marina”

Anisan’ny olona tia mandray an­draikitra sy ma­nampy ny sahirana Ramamimam­pionina Gerard-Noël. Nandrisika azy hirona amin’izany, ny fahatsapany sy efa nilonany tao anaty fahantrana nandritra ny fahazazany, raha ny fanazavana. Tia mandray andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa (eo anivon’ny fianakaviana, fiarahamonina, fiangonana ary eo anivon’ny fiainam-pirenena…) Ramami­mampionina Gerard-Noël. Miainga eo anivon’ny […]

Kaominina Ambinanidilana : faritra manan-karena fa saro-dalana

191 ireo kaominina mandrafitra ny faritra Atsina­na­na. Iray amin’ ireo ny kaominina ambanivohitr’ Ambinanidilana. Anisan’ny toerana iray manan-karena amin’ny lafiny maro ao amin’ny distrikan’ i Mahanoro. Ahitana vokatra fanondrana maro samihafa any amin’ny kaominina am­banivohitra Ambinanidilana. Anisan’izany, ny vanila, jirofo, kafe, poivre, vary, paraky gasy… Ahitana omby sy kisoa koa […]

Asa tanana : avadika ho haingon-trano sy ho an’ny fiara ny kodiarana

Fitaovana iray maro mampiasa sy azo ahodina ho lasa vokatra hafa maro isan-karazany ny ko­diara. Anisan’ny toerana ahitana ny fanodinana sy fivarotana izany ny etsy Anosibe. Mpivarotra maro ary fianakaviana iray manontolo no mivelona amin’ny asa fanodinana ny kodiarana etsy Anosibe, raha ny fanadihadiana natao omaly. Manamboatra kapa fingotra sy […]

Vokatra baobab: mahasitrana aretina toy ny kohaka, rera-tsaina ary sempotra

Ahitana baobab maniry betsaka in­­drindra any amin’ny sisiny andrefan’i Mada­ga­sikara iray ma­nontolo. Ma­nom­boka amin’ny sisin’Iho­rom­be ka hatrany Mo­ron­dava izany. Tsy mbola ma­ha­f­antatra ny ma­­ha zava-dehibe sy ny soa azo avy aminy, ny ankamaroan’ny Malagasy. Ha­ren’ ny firenena sy mahasalama ny olona ny fisiany sy ny fihinanana ny vokatra. Aman-jatony ny […]