Manana ny fototra mampiavaka azy ny fanaovana tombokavatsa manoloana ny tantaran’i Madagasikara. Misy dikany ny endriny, arakaraky ny faritra sy ny foko tsirairay avy. Zava-dehibe teo amin’ny Malagasy ny fanaovana izany. Anisan’ireo riba sy kolontsaina malagasy ary nanana ny naha izy azy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny tombokavatsa, araka ny […]
Songadina
Noho ny fari-piainana Mihamaro ireo fonenana tsizarizary Misy eto an-dRenivohitra ny faritra antsoina hoe “La Réunion kely, bidonville ’’na fonenana tsizarizary. Fiainan’olona enyisan’andro ny mitrandraka fanariam-pako. Miverina mandraoka fako karazany maro ny olona miaina amin’io toerana io, ary mandahatra mivarotra izany eo aminy. Mahita 5 000 Ar isan’andro amin’ny […]
Tany sy trano: misy ny fepetra takiana ahazoana manofa na mividy
Azon’ny vahiny atao, mandeha irery na anatin’ny fikambanana manaraka ny lalàna malagasy, ny mividy sy/na manofa tany sy trano eto an-toerana mandritra ny fotoana maharitra. Azon’ny vahiny maniry honina eto Madagasikara ny manao « bail emphytéotique » ho tambin’ny hofan-trano amam-bolana na aman-taona. Hahazoana manana fahafahana toy ny tompon-trano ny « bail » atao eto, […]
Trano fonenana: endriky ny elanelana eo amin’ny fari-piainana
Tsy manara-penitra ny ankamaroan’ny trano fonenana eto Madagasikara. Endriky ny fahantran’ny vahoaka maro anisa eto amin’ny firenena izany. Maro sy hita ny trano najorojoro, tsy misy fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina na firafitra avy amin’ny teknisianina, indrindra ny any ambanivohitra. Tsy misy ny fikojakojana ny trano. Misy ihany anefa ireo […]
Bakalorea ETO ANTANANARIVO: Misitraka « cours » ny mpiadina
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea. Nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Ambany tanàna miray (ATM). Hisitraka izany ireo tanora hanala fanadinana eto anivon’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana. “Zava-dehibe ho […]