Songadina

Fifohana sigara sy fihinanana paraky : loza mihatra ho an’ny firenena sy ny fahasalaman’ny daholobe

Manomboka ma­nan­drana mifoka si­gara ny ankizy any an-tsekoly. Miteraka herisetra ara-batana sy ara-moraly eo aminy izany. Misy ny fanentanana ataon’ny fikambanana maro ho an’ny ankizy sy ny tanora. Mba hisorohana ny tsy hiron’izy ireo amin’ny fidorohana ny karazana zava-mahadomelina. Manomboka mahazo vahana eto Madagasi­kara ny fivarotana sigara. Anisan’izany, ny sigara […]

Homamiadan’ny nono: areti-mandoza atrehin’ny vehivavy maro ankehitriny

Mirongatra ma­neran-tany, indrindra amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Madagasi­kara ny aretina homamiadana. Toy ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary ny “ovaire”. Mahatratra 15 tapitrisa ny olona voan’ny ho­mamiadana maneran-tany. Hita amin’ny tany andalam-pandrosoana toa an’i Afrika avokoa ny 70% amin’ireo. Ankoatra izay, 12,5% amin’ ny olona maty vokatry […]

Ivontoeram-pitaizana: manabe sy mameno ny banga eo amin’ny ankizy

Ianjadin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano izay miseho amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny tsy fahampian’ny fidiram-bola eo amin’ny ray aman-dreny, ny olana eo amin’ny mpivady, ny fahafatesan’ny ray na reny, ny fisian’ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina eo amin’ny ray aman-dreny… Antony mahatonga fahasahiranan’ny tokantrano iray izany. Ka mandrisika ny ray […]

Fiotazana letisia : fampidiram-bola haingana sy manome asa maro

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana letisia eto Madagasikara, ny talata 21 novambra, tamin’ny 3 ora tolakandro lasa teo. Nomari­hina tany amin’ny sakana ekonomika any Analamalotra, lalam-pirenena fahadimy mialoha ny fidirana an’ i Toamasina izany. Mbola betsaka ireo mpanangom-bokatra tsy nahafeno fepetra amin’ny maha ara-dalàna ny antontan-taratasy ilaina rehetra amin’ny fanaovana izany. Tsy nametraka olana momba izany nefa ny […]