Songadina

Vokatra fanondrana : tsy misy singa very ny jirofo iray manontolo

Anisan’ny zavamaniry ilain’ny fianan’ny olombelona ny vokatra fanondrana raha ny eto Madagasi­kara. Tsy misy very fa ilaina avokoa ny momba izany, raha ho an’ny vokatra jirofo manokana. Maro ny zavatra azon’ny olona ampiasana ny vokatra jirofo, raha ny fanadihadiana natao. Manom­boka eo amin’ny fakany, ny hodiny, ny tahony, ny tangozany ary ny raviny. Afaka […]

Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy : 23 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy

Mitombo isan-taona ny antontanisa voaray momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy eto amin’ny Nosy. Efa mihasahy sy mihamaro ny olona mitoroka sy miteny ary manatona ny Sam­pandraharaha ka antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Bri­gade féminine de proximité. Maro ny karazana herisetra […]

Fitohanan’ny fifamoivoizana: mitombo ny fandaniana sy ny fotoana lany

Olana iray lehibe eto an-drenivohitra ny fitohanan’ny fifamoivoizana, saika isan’andro. Fotoana maro no very amin’izany ary misy fiantraikany goavana eo amin’ny asa fihariana. Mitady vahaolana tsy tapaka ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) eo amin’ny fifamoivoizana. Mitohana maharitra ny fifamoivoizana eto An­tananarivo noho ny fi­tomboan’ny mponina sy ny fiara. Ao koa ireo tonga miakatra eto an-drenivohitra […]

Asa famoronana miaro ny tontolo iainana : nahazoana landy sy akora vaovao indray ireo boatina fanafody

Miroborobo sy mi­ha mahazo va­hana eto Mada­gasikara ny fanodinana ireo fako isan-karazany. Vokatry ny fahatsapana ny fiparitahan’izany eny amin’ny toerana maro samihafa eto amin’ny No­sy, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny manimba ny tontolo iainana maneran-tany betsaka indrindra ny akora plastika. Ma­haritra aman-taona maro vao potika sy levona tanteraka izany, raha […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : 20% amin’ireo aretina mpahazo ny olona ary aretina atahorana dia ny “allergie”

Mirongatra be ny aretina “allergie”, indrindra ny “al­ler­gie respiratoire” eto Antana­na­rivo, amin’izao fotoana izao. Ani­san’ny mahatonga izany ny fi­tom­boan’ireo akora simika. Manodidina ny 15 hatramin’ny 20% ireo trangana “allergie”, tonga eny anivon’ny toeram-pitsaboana amin’izao vanim-potoana izao, raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny CMS etsy 67ha. Tafiditra ao anatin’ny aretina atahorana […]