Paikafo, asa tanana natombok’ Andriamantena Georges na i Rado, mpanoratra sady poeta, tamin’izany andro izany. Nolovain’ ny zanany Andriamanantena Andry Solofo tao anatin’ny 40 taona izay. “Ataovy amin’izay fa efa miha antitra aho, hoy ny raiko. Nafindrany tamiko ilay asa satria hitany fa nahay sary aho ary tsy nety nanao sary […]
Songadina
Fampivoarana ny toeram-ponenana : mahazaka rivodoza sy horohorontany ny fanorenana avy amin’ny polystyrène
Efa miha mivoatra hatrany ny fanamboarana sy fanorenana trano fonenena maneran-tany. Anisan’ny taotrano mahaliana ny ankamaroan’ny olona, ny fanorenana mampiasa ny polystyrène. Iray amin’ireo vinam-panavaozana ny toeram-ponenana eto Madagasikara ny fanorenana trano sahaza ny sokajin’olona sy mamaly ny filàny. Hatramin’ izay, biriky sy “parpaing” foana ny akora fototra nahazatra ny rehetra eo amin’ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa. Mitondra vahaolana amin’ny alalan’ny teknika vaovao sy moderina amin’ny […]
Fihariana tsy manara-dalàna : mibahan-toerana voalohany ny karazam-barotra
Nahazo vahana am-polo taona maro ny sehatra ara-toekarena tsy manara-dalàna eto Madagasikara. Raha tsorina ny famaritana azy dia tsy misoratra any amin’ny fanjakana. Mibahan-toerana voalohany amin’ izany ny karazam-barotra rehetra. Manome asa betsaka sy fidirim-bolan’ ny olona ny sehatra tsy ara-dalàna eto Madagasikara, indrindra ny varotra. Araka ny famaritan’ny Institut […]
Fiarovana ny tontolo iainana : nomena endrika vaovao ny akanjo sy lamba tonta
Maro ireo akanjo mipetra-potsiny any anivon’ny tokantrano any. Maro koa ny simba na tsy ilaina intsony ka noezahin’ny mpamorona nomena endrika vaovao indray. Manan-talenta amin’ny lafiny rehetra ny tanora malagasy eto an-toerana, anisan’izany, ny famokarana sy fanjairana lamaody. “Tsapa ihany koa fa sehatra iray manimba ny tontolo iainana be indrindra […]
Fiserana tany sy trano : mitombo ireo orinasa miantsehatra
Sehatrasa anisan’ny manana ny maha izy azy, nefa somary tsy tafapetraka amin’ny toerana tokony ho izy ny asan’ny Mpahay mari-trano eto Madagasikara. Maro ny olana sy antony mahatonga izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mankalaza ny faha-30 taona nisiany ny « Ordre des Architectes Malagasy » na ny OAM, amin’ity taona 2023 ity. […]