Toe-karena

Dokotera veterinera : vitsy anisa eto Madagasikara

Mbola tsy ampy isa ireo dokotera veterinera eto amintsika raha oharina amin’ny filan’ny firenena amin’izao fotoana. Manodidina ny 600 eo ny dokotera veterinera ilain’i Ma­dagasikara, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro Herintsoa, nandritra ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo dokotera veterinera, ny alarobia teo. Tanjona ny hampitombo isa azy ireo […]

Lavanty tany Toamasina : tsy nantsoina ny Antenimieran’ny Varotra

Nifarana ny fanaovana lavanty tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nanatanteraka izany ny sampandraharahan’ny ladoany, ny orinasa SMMC, ny Mictsl, ny vadintany, ny Bianco. Nilaza ny tomponandraikitry ny ladoany Toamasina, Rakotonirina Hery André, nandritra ny fanokafana ny lavanty, ny 16 oktobra teo, fa antsoina ny Antenimi­eran’ny varotra sy ny indostria (CCI) raha […]

Jirama : nampiakarina ho 17 000 m3 ny fandaniana solika

Nifampiraharaha ny fanjakana, ny Jirama ary ny orinasa Jovena fa ampiana 2 000 m3 fanampiny ny solika menaka mavesatra hafarana avy ivelany. Anisan’ny antony ny fitomboan’ny fandaniana solika amin’izao vanim-potoana mafana izao. Ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 24 oktobra teo, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia […]

Foara ho an’ny trano fonenana : nandray anjara hatrany ny Filatex

Nanamarika ny faha-25 taona nandraisany anjara tao anatin’ny foara ho an’ny trano fonenana ny vondrona Filatex. Naharitra efatr’andro ny fankalazana ny hetsika (19 – 22 oktobra 2023) ho fanamarihana ny tsenabe ho an’ny trano fonenana, andiany faha-11. Tao anatin’izay efatr’andro izay, marobe ireo mpitsidika ka nahafahan’ireo tomponandraikitra nanome fanazavana momba […]

avy amin’ny tohodrano : An’arivony « mégawatts » ny herinaratra azo

Ankalazaina isaky ny 22 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (JME). Ho an’i Madagasikara, tany Nosy Be Hell Ville no nanatanterahina azy, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny 20 oktobra teo. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe, « Angovo madio sy maharitra ho an’ny rehetra ». Mifandray […]