Hotokanana ny zoma 23 oktobra 2026 ny masoivohon’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) faha-11, any Sambava, faritra Sava. Tanjona ny hanamora ny fandraharahana sy hanamafy ny fanohanana ireo mpandraharaha any an-toerana. Tetikasa hanatsarana ny fahazoana tolotra sy hanamorana ny dingana ara-pitantanana no hatao. Hasongadina mandritra ny “vitrine GMI 2026”, […]
Toe-karena
Vondrona eoropeanina : Tohanana ny fandraharahana malagasy
Manamafy ny fahaiza-manaon’ny orinasa malagasy sy hanamora ny fidiran’ny vokatra « Made in Madagascar » eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ ny tetikasa Acte Invest. Nisy ny fihaonana teo amin’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Roland Kobia sy ny Maison de l’entrepreneuriat (MDE) ary ny Fivondronan’ny mpandraharaha […]
Tetikasa Folur : Endri-tany 86 000 ha hatsaraina
Miompana amin’ny fiarovana ny nofon-tany sy ny sahandriaka ny tetikasa Folur (Food System-Land Use-Restoration). Nanomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2029 ny tetikasa, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly (CN), Ramatoa Ratovonirina Hasina, fa tanjona ny fampiasana ny endri-tany hanatsarana ny tontolo ambanivohitra. […]
Jirama : Hosaziana ny tompon’antoka amin’ny fanakorontanana
Anisan’ny nosinganin’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), omaly, ny tokony hanaovana fanadihadiana ao anivon’ny Jirama. « Hosaziana ireo tompon’antoka amin’ny fanakorontanana », hoy kosa ny Praiminisitra. Navoitran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandritra ny lahateniny, omaly, teny Tsimbazaza, fa anisan’ny misy manakorontana sy manapotika ny ezaka ataon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Maro ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tratra ny kamiao iray nitondra gazoala 21 000 litatra tany Antsiranana, hampihodinana ireo milina mpihary herinaratra any an-toerana. Ny borigadin’ny heloka bevava no nahatratra ity kamiao ity izay nivily lalana fa tsy nihazo ny toerana tokony hanaterana ny entana. Tao anaty barika 20 litatra, miisa 70 ireo solika ireo, izany hoe, […]





