Manana sata Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety (APMT) ny Nosy Sakatia any Nosy Be, faritra Diana. Mirefy 600 ha ny velaran’ny ranomasina, miampy ny tanety 500 m manodidina ny ranomasina. Mirefy 6km ny lavany ary 2 km ny sakany. Ahitana tanàna telo (Ampasindava, Ampasimena, Antanabe). Mivelona amin’ny jono sy ny […]
Toe-karena
Fizahantany ara-tontolo iainana: nahazo traikefa ireo VOI any amin’ny Nosy Sakatia
Nentin’ny tetikasa GecBatan tany Anja sy Tsaranono, faritra Matsiatra Ambony, naka traikefa, ny fikambanan’ny Vondron’olona ifotony (VOI ) any amin’ny Nosy Sakatia, Nosy Be. Hitan’izy ireo maso ny fahombiazana amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana. Tanjon’ny tetikasa Gec-Batan ny hisian’ny fitantanana maharitra mitondra fampandrosoana ny Faritra arovana sy hisitrahan’ny […]
Karazam-bary Besalohy: mety amin’ny faritra rehetra, mamokatra 6t/ha
Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara ny famolavolana ny karazam-bary vaovao “Besalohy”. Vokatra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa) sy ny Japan International Research Center for Agricultural Sciences (Jircas) izy io. Tsara kalitao sy miavaka amin’ny endriny ary ny fofony ny vokatra […]
Minisitry ny Varotra: “Miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana”
Fanatsarana ny lalana. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andrimadison Haingotiana, tamin’ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, tao Antanimasaka, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo kaominina 19, ao amin’ny distrikan’ Ambatolampy. Samy nilaza ny hetahetany avy ireo ben’ ny Tanàna, saingy niraisan’ny […]
Tranombarotra Cosmos: mpanjifa 66 nahazo loka tamin’ny Tombola
Natao ny sabotsy 29 aogositra teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa tsara vintana nandray anjara tamin’ny Tombola nokarakarain’ny tranombarotra Cosmos. Nanomboka tamin’ny 8 jona hatramin’ny 19 jolay ny fandraisana anjara ho an’izay nividy entana tao amin’ny tranombarotra Cosmos miisa 22 manerana ny Nosy, ka eto Antananarivo ny 9 […]




