Toe-karena

Vita ny RN 9: nidina 60% ny saran-dalana

Hita avy hatrany ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9) ho godirao. Mihena ny faharetan’ny fotoana hanaovana ny lalana, sady nidina koa ny saran-dalan’ny taksiborosy. Ho an’ny fifamoivoizana Toliara mankany Bevoay, nilaza Raza­findramosa Germain, mponina any amin’ny kaominina Anka­tsa­katsa, akaikin’i Bevoay, fa nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia, raha […]

Tahirim-bola saodianina: 69 tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa enina

Na tsy re loatra aza, anisan’ny manana ny toerany amin’ny fampandrosoana eto amintsika, ny Tahirim-bola saodianina (SFD). Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara ny fahavitan’ny tetezana any Mangoky. Anisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena manana ny lanjany eto Madagasikara ny Tahirim-bola saodianina ho an’ny fampandrosoana (SFD). Anisan’izany […]

Famokarana : hamokatra vary 44 t ny lemaka ao Bas Mangoky

Anisan’ny lemaka mamokatra vary 6 t/ha ny lemaka Bas Mangoky. Ankehitriny, mamboly indroa isan-taona ny mponina any an-toerana noho izy ity mamoka-bary be­tsaka. Vokatra azo avy amin’ ny fahavitan’ny fotodrafitrasam-pamokarana na ny “pri­se” ao Bevoay, lehibe indrindra eto Madagasikara ary tsara indrindra eto Afrika. Ni­ta­rin’ny minisiteran’ny Fam­bo­le­na sy ny fiompiana […]

Seranam-piaramanidin’i Toliara : afaka mandray sidina iraisam-pirenena

Tratra ny tanjona! Anisan’ireo seranam-piaramanidina afaka mandray sidina iraisam-pirenana i Toliara Ankoronga. Nankatoavin’ny Aviation Civile eto Madagasikara (ACM) sy ny iraisam-pirenena (OACI) ireo dingana rehetra voalazan’ny fenitra mifehy ny fifamoivoizana ana habakabaka. Nahazo ny taratasy manamarina ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena i Toliara, ny zoma teo. Natsangan’ny Aéroport de Madagascar (ADEMA) […]

Angovo azo avy amin’ny masoandro : hamokatra herinaratra 6 000Mwh isan-taona

Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny Malagasy ilay tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro napetraka ao Toliara. Miavaka sady matanjaka izy ary handrakotra herinaratra amina kaominina maro any an-toerana. Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo avaozina eto Mada­gasi­kara. Notokanana ny sa­botsy teo ny tobim-pamokarana he­rinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]