Toe-karena

Taninketsa indostrialy : milina efatra napetraka ao Toliara

Mahavelombolo ny any ifotony ny fisiana ozinina hanodinana ireo vokatra any aminy. Milina efatra no napetraka ao Toliara hisahana izany. Tonga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny tetikasa “One district One Factory” (ODOF). Napetraka ao Toliara ny milina efatra mpanodim-bokatra hanampiana ireo vahoaka any an-toerana. Hanodina ireo vokatra mampalaza ny faritra toy […]

Fandaharanasa « Défis » : tohana ho an’ny fampandrosoana ny tantsaha

Hampivoarana ny fiainan’ny tantsaha sy hahazoany fidiram-bola maharitra ho enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo no apetraky ny fandaharanasa « défis », ho fampandrosoana ny fambolena sy ny fiainana isan-tokantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Miasa amina faritra valo any atsimon’ny Nosy ity fandaharanasa ity ho fanohanana ny fiainam-pianakaviana. Miainga ao amina […]

FOTODRAFITRASA FAMPANDROSOANA : vita ny lalana 187 kilometatra

Mitombo hatrany ny isan’ny lalana vita godirao eto amintsika. Anisan’izany ny lalam-pirenena, RN 9, manamora ny fifandraisana sady mitondra fampandrosoana. Notokanan’ny filoha Rajoe­lina, omaly, tany Ankantsakatsa, ny lalam-pirenena fahasivy RN9. Miainga eo Toliara hatrany Bevoay, hatrany Manja, mirefy 187 km, vita godirao tanteraka. Nanomboka tamin’ny 2020 ny asa, nizara roa ny nanatanterahan’ny orinasa, China […]

Tsy ampy ny vokatra eto an-toerana : hanafatra katsaka 45 000t ny mpandraharaha

Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Madagasikara kanefa tsy mitsaha- miakatra ny vidin’izany eny an-tsena. Mandroso vahaolana amin’ny fanafarana katsaka ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana. Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana. Tsy ampy sady lafo ny ka­tsaka eny an-tsena ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ny tantsaha. Vokany, na­hena hatramin’ny 50% ny biby fiompiny […]