Toe-karena

Atsimo Andrefana : olona maherin’ny 3 000 nilahatra manohana ny Base Toliara

Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena ireo mpanohana ny orinasa Base Toliara. Maherin’ny 3 000 no nilahatra. Mivondrona anaty fikambanana miisa 30. Ahitana ny mponina akaiky ny toeram-pitrandrahana fasimainty, ny ao Toliara an-tampon-tanàna, hananganana ny toerana hanondranana ny vokatra, sns. Anisan’ny antso avo nataon’ny solontenan’ny fi­kambanam-behivavy […]

Niverina ny Corsair : mitombo isa ny zotra ana habakabaka

Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy. Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramani­dina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly […]

Mpanjono 115: nisitraka kisary ny rojom- pihariana trondro

Notontosaina ny sabotsy teo ny fanofanana ireo mpanjono 115 momba ny ny rojom-pihariana trondro na « cartographie de la chaine de valeur poisson » tao Andranobe atsinanana, Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Anisan’ny lohahevitra noresahiny tamin’izany ny fampahafantarana momba ny asa rehetra sy ny mpandray anjara ary ireo pitsopitsony manodidina ny sehatry ny jono. […]

Fanatontoloana teknolojika: loharanom-pahalalana sy mampiroborobo ny toekarena

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny fikirakirana ny teknolojia. Hahafahana mandranto fahalalana sy manangana tetikasa entina manatsara ny toekarena. Izay ny tanjona apetraky ny fikambanana OPTA. Mampisokatra lalana ma­ro samihafa ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. Mampahafantatra ny zo sy andraikitra miandry ny tsirairay izy, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bola […]