Nankalazaina ny 17 sy 18 avrily teo, tany Amboalefoka Miarinarivo, ny Andron’ny asa tanana sy ny tontolo iainana ary ny tanora. Nanofana tanora 105 isa ny tily sy ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao. Natao izany mba hanentanana ny fiarahamonina hiaro ny tontolo iainana sy ny asa tanana ao […]
Toe-karena
«Hazavao ny elakela-trano» : nahazo jiro cobra ny eny Amboditsiry
Afaka ao anaty haizina ! Nisitraka ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano», tanterahin’ny Jirama, ihany koa ny mponin’Amboditsiry, tapany andrefana. Herinandro lasa izay no nangatahan’ny mponina hametrahana jiro fanazavana ny lalana mirefy 700 metatra eo. Satria tsy nisy fahazavana nandritra ny 20 taona mahery, ka tena nampatahotra noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra […]
Mitotongana : 5 000 Ar latsaka ny sandan’ny 1 euro
Tsy mitsahatra mitotongana ny lanjan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ ny vola vahiny. Mananontanona ny 5.000 Ar ny 1 euro, ka efa nisanda 4 935 Ar, omaly 21 jona 2023, araka ny antontanisa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), araka ny fifanakalozana farany tamin’ny 3 ora tolakandro, ary 4 878 Ar raha […]
Fikaohan’ny nofontany : velarantany 9 000ha harenina any Amoron’i Mania
Tsy mionona amin’ny fiarovana ny ala fotsiny ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsinjovina koa ny hitondra fampandrosoana hanatsarana ny fiveloman’ny mponina. Anisan’izany ny fandaharanasa PLAE. Hisehatra amin’ny famokarana, fiarovana ny ala voajanahary sy fampihenana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandaharanasa PLAE* andiany […]
Tsena iraisam-pirenena : miara-miasa i Madagasikara sy i Royaume-Uni
Miompana amin’ny fifandraisana ara-barotra, ny jono ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena ho an’ny fampandrosoana ny fifanarahan’i Madagasikara sy i Royaume-Uni. Nankatoavin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, nandritra ny fivoriambe natao ny alatsinainy teo, ny fanohizana ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra amin’i Royaume-Uni. Lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao […]